Vita ny fanadihadihana savaranonando ahafahana miroso amin’ny asa rehetra ho fanavaozana sy fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio izay voasokajy ao anatin’ny tetikasa PAAEP ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Dingana sy fidinana ifotony maro tamin’ireo toerana voakasika no natao ka nampahafantarina sy nanaovana tatitra tamin’ ireo tomponandraikitra eny ifotony sy […]
Fiaraha-monina
Vohipeno : Novangina ny akany mitaiza ankizy marefo
Akany Ambohimanantenasoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andemaka, sy ny akany Preventium, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Ifatsy, no notsidihin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Mponina ao Vohipeno, ny faran’ ny herinandro teo. Mandray an-tanana ireo ankizy manana fahasembanana ara-batana miisa 150 ny akany Ambohimanantena. Miandraikitra manokana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo miisa […]
Tetikasa « Zara mira » : Ankizy 68 000 hahazo tombontsoa amin’ny tohana ara-bola
Hiara-kiasa hanatsara ny tontolo hivoaran’ny ankizy isan-tokatrano ny Unicef sy ny Vondrona eoropeanina. Napetraka ny fandaharanasa « Zara mira » mandritra ny telo taona, ao Atsimo Atsinanana. Natomboka ny faran’ny herinandro teo ny fandaharanasa « Zara mira », fanomezana tohana ara-bola ho an’ny ankizy tanterahin’ny Unicef ho an’ny faritra Atsimo […]
INDRAY MIJERY
Nanolotra fitaovam-pianarana sy entina midio ho an’ireo ankizy tsy ampy taona ao amin’ny fonjaben’Antanimora sy Anjanamasina ny solontena avy amin’ny “Humanité et inclusion” amin’ny alalan’ny tetikasa Mafonja. Nahitana kahie, stylos, taratasy, pensilihazo, sns… kifafa, eau de Javel, vovon-tsavony, sns.. Ao anatin’ny C4C na fanabeazana amin’ny fiovam-pihetsika dia misy ireo lalao […]
Zokiolona: Mivoaka ny tetiandro fizarana fisotroan-dronono
Mivoaka ny tetiandro fakana ny fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eto Analamanga, amin’ity volana avrily ity, eny amin’ny tahirimbolam-panjakana. Ho an’ny eny anivon’ireo Perceptions principales (PP), Trésorerie principale (TP), Trésorerie principale inter-communale (TPIC), efa voarindra ireo laharana maka izany. Anjaran’ny laharana miafara amin’ny 0 – 1 – 2 no maka ny […]




