Fiaraha-monina

Distrikan’Atsimondrano : Ao anatin’ny tanjany ny antoko TGV

Nanaporofo ny antoko TGV eny amin’ny distrikan’ Atsimondrano fa ao anatin’ny tanjany tanteraka ankehitriny. Ny alakamisy teo, marobe ireo nanohina ny antso teny Mandrimena. “Mipetrapetraka ny rafitra ary manaraka ny fenitry ny antoko ny ety Atsimondrano”, hoy ny sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery. Mifanampy ny politika sy ny mpitantana ny firenena […]

Fikambanana Imianta : Haneho firaisankina eny Atsimondrano

Eny amin’ny kaominina Bongatsara, distrikan’Atsimon­drano, no haneho firaisankina ny terak’Imady, ny alatsinain’ny Pentekosta izao. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana Imianta izy ireo, izay efa misy an’arivony milaravinahitra eto an-dRenivohitra. Fihaonana amin’ny endrika fitsangantsanganana voalohany izy ity taorian’ny nahazoana ny tany midadasika eny Anjo­ma­kely. Tany iombonan’ny fikambanana ho fihariana aoriana kely, raha […]

Autisme Eto Madagasikara: Hametraka ivontoeram-pitsirihana

« Sahirana ny fianakaviana malagasy manana zanaka autiste satria tsy misy ivontoerana manao fitsirihana manokana izany toetena izany eto Madagasikara, tsy voaofana koa ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanabe. Ma­nam­py trotraka ny faharefoana ara-bola satria marolafy ny fandraisana an-tanana tsy maintsy arahana”, hoy ny ma­nampahaizana manokana momba ny fahasembanana sy ny […]

Herinandro ho an’ny fahasalamam-bahoaka : Ampiarahana ny fanaovam-baksiny sy ny fora zaza

Tohizana ny ezaka rehetra vita amin’ny fanaovam-baksiny tsy hampidina ny tahan’ny zaza voaaro amin’ny aretina. 91 ny distrika voakasika fa ny 56 amin’ireo no tena laharam-pahamehana. Natomboka omaly, teny amin’ny CSB II Anosiza­to Andrefana, ny Heri­nan­­dro ho an’ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny sy ny he­tsika “fora zaza faobe” miaraka amin’ny minisiteran’ny […]