Efa vonona ny toerana handraisana ireo fianakaviana traboina mandritra ny fihavian’ny rivodoza Faida. Efa afaka mandray ireo olona izay te hifindra toerana ny ao amin’ny Gymnase Soavita, Dojo Soavita, ny Foyer sociale canada, ny CJST ary ny Salle d’oeuvre Sainte Thérèse. Isorohana ny loza ho an’ireo marefo no hiomanana dieny […]
Fiaraha-monina
Faritra Atsimo Atsinanana: Nisokatra ny taom-pambolen-kazo
Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Namohoro Iaborano, distrikan’i Farafangana no nanokafana ny taom-pambolen-kazo ho an’ity taona 2025 ity, ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. 5 000 isa ny zana-kazo novolena tamin’izany, hamerenana indray ny fitazomana ny nofon-tany sy hiarovana ireo loharano. Nahitana hazo hintsy, kanely, accacia, baie rose […]
Bajaj : Tsy tokony handeha amin’ny lalam-pirenena
Nampahatsiahy ny tomponandraikitry ny fitaterana an-tanety mahakasika ny asa fitaterana ataon’ireo kodiaran-telo mitatitra olona sy entana. Araka ny naoty 01/MTM/DGT/DTT, tamin’ny 04/01/2021, manambara fa voarara ny fandehanan’ny fiarakodia kodiaran-telo eny amin’ny lalam-pirenena ivelan’ny tanàna, ny lalana maro mpifamoivoy, lalana fandehanana haingana… Ny naoty 014/MTM/SG/DGTT/DTR, tamin’ny 30/09/2024, milaza fa ny fiarakodia […]
Rivodoza Faida : Mitsahatra ny fampianarana ao Toamasina
Miha manafika ao an-toerana ilay rivodoza Faida. Natsahatra ny fampianarana ao amin’ny Dren Atsinanana manontolo. Ho betsaka ny rotsakorana ka mila miomana amin’izany ny mponina. Namoaka naoty ny prefektora ao Toamasina hampitsaharana ny fampianarana ao an-toerana, ho fiarovana ny ain’ny mpianatra anatin’ny fandalovan’ilay rivodoza Faida. Nivory ny Komitim-paritra mitantana ny […]
INDRAY MIJERY
Nampitandrina ny Meteo Madagasikara fa tsy tokony hiandriaka intsony ireo mpanjono sy mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Vohemar sy i Mananoro, manomboka rahampitso. Antony izany, ialana amin’ny loza mety aterak’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Tsy tokony hiverina intsony ny tranga tany Atsimo nahavery ireo lakana ninia nanjono. Notokanana […]




