Nahazo fampitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana ny any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tafiditra amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony sy manakaiky vahoaka izany. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy moto avy amin’ny faritra Analamanga ny kaominina miisa 15 ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Midina ifotony mitondra fampandrosoana no tarigetran’ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny rehetra. […]
Fiaraha-monina
Fifanosehana teny Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana !
Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay fifanosehana mahatsiravina, teny Mahamasina, ny zoma lasa teo. Mandray an-tanana ny famotorana ny Emmo/Far Antananarivo. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana, ny sabotsy 26 aogositra teo, mahakasika ny tranga namoizan’ aina olona teny amin’ny kianja Barea. “Ny fanadihadiana no hamatarana ny fizotry ny loza […]
Avy amin’ny volan’ny kaominina : nahavita fotodrafitrasa maro Ambatoboeny
Mametraka fomba fiasa madio sy mangarahara mampandray andraikitra ny daholobe ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ambatoboeny, Rakotonandrasana Jean Valerien. Isan-taona, mahatsangana fotodrafitrasa avy amin’ny volan’ny kaomina madiodio izy sy ny ekipany. Notokanana ny herinandro teo ny sekoly tao amin’ny fokontany Ankarambilo. Raha itodihana ny zava-bita nandritra ny fe-potoam-piasany indroa nisesy, miroso […]
67ha : nodiovina ny faritra eny amin’ny Parking
Nodiovina ny lalana sy ny faritra eny amin’ny Parking 67 ha Avaratra Atsinanana, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny Association des jeunes forts pour le développement de Madagascar miaraka amin’ny « les abonnés », mpampiasa ny fiantsonana. « Ho fanampiana ny mpitantana eo anivon’ny kaominina amin’ny fanadiovana ny tanàna […]
Nanomboka ny 2018: miaina anaty fahantrana ny 66,9% amin’ny zaza
Mahazo vahana ny fahantrana lalina eo anivon’ny fianakaviana. “Indrindra ireo entin’ny renim-pianakaviana irery izay tsy nandia fianarana na nisara-bady”, hoy ny MODA. 66,9% amin’ny zaza malagasy no iharan’ny fahantrana marolafy. Antontanisa tsy niova nanomboka ny taona 2018 no ho mankaty, araka ny fanadihadiana momba ny tsy fisitrahan’ny ankizy ny zony […]