Fifanosehana teny Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana !

Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay fifanosehana mahatsiravina, teny Mahamasina, ny zoma lasa teo. Mandray an-tanana ny famotorana ny Emmo/Far Antananarivo.

Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana, ny sa­botsy 26 aogositra teo, mahakasika ny tranga namoizan’ aina olona teny amin’ny kianja Barea. “Ny fanadihadiana no hamatarana ny fizotry ny loza sy ny tompondraikitra nandritra izany”, hoy ny kaomandin’ ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria (CIRGN) Anta­na­narivo, Kly Randrianari­masy Radosoa, tao Ankadila­lana, afakomaly. Handraisana ny fepetra mifanandrify amin’ ny zava-nisy ny valin’ny famotorana. Hanatsarana izay efa napetraky ny mpitandro filaminana, nanao fivoriana hamehana izy ireo. “Hiarovana ny olona tsirairay tsy ho voatohintohina koa izany”, hoy hatrany izy. Manentana ny tsirairay hanaraka ny toromarika rehetra mandritra ny lalaon’ny Nosy ity farany.

Niditra an-keriny
Raha tsiahivina, namoi­zana olona am-polony ny fifanosehan’ireo mpijery nikasa hiditra teny amin’ny kianja Barea, ny harivan’ny zoma 25 aogositra teo. “Nikasa hiditra an-keriny teto amin’ny vava­hady ireo olona sasany avy any amin’ny vavahady hafa”, hoy ny fanazavan’ny polisy iray anisan’ny niambina teny Mahamasina tamin’io andro io. “12 ireo namoy ny ainy ary 85 ny naratra . Efa nody any an-tranony avokoa ny ankamaroan’ireo naratra”, raha ny fanamafi­san’ny kaomandin’ny CIRGN. Tafakatra 13 ireo namoy ny ainy araka ny loharanom-baovao hafa.

Tsiferana R.

Partager sur: