Fiaraha-monina

Fitantanana loza : nitsidika ny BNGRC ny ekipan’ny Sadc

Nitsidika ny foiben’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) ny delegasionan’ny SADC nandritra ny fandalovany eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Iray amin’ireo firenena andalovan’ny rivodoza matanjaka i Madagasikara tao anatin’ny roa taona farany. Na mafy aza ny fidiran’ny rivodoza teto amintsika, tsy mafy loatra ny fiantraikany noho […]

Sakoroka teny Ankatso: tora-bato sy doro kodiarana, nirefodrefotra ny grenady

Nitokona ny mpianatry ny oniversite Ankatso omaly, taorian’ny fitokonan’ny Seces. Nanakan-dalana, sy nandoro kodiarana ary nitora-bato izy ireo. Nalana ny «franchise universitaire». Mpianatra valo voasambotra, zandary iray hita naratra, nandritra ny fitokonana nataon’ireo mpianatra teny Ankatso, omaly tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpianatra sy […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra : nodiovina ny tanàna ao anatin’ny boriborintany V

Ho fanohizana ny asa an­davanandro. Nanatanteraka fanadiovana faobe ny kaomi­nina Antananarivo Renivo­hitra, ao amin’ny boriborintany fahadimy, omaly. Nodiovina ny sisin-dalana sy ny manodidina ny tobim-pako, nalana ireo fasika, ny lobolobo,…. Toy ny eny Tsarasaotra hatreny An­ko­rondrano, rond-point So­diama mihazo ny Marais Masay ary Nanisana hatrany Ambohi­mangakely, rond-point Nani­sana hatreny Mausolé. […]

Asa tena : olona manana fahasembanana 25 nahazo mari-pahaizana

Omena sehatra sy ampiana hanana ny asa mahavelona azy ireo olona manana fahasembanana. Anisan’ny nisitraka izany ireo nandalo fiofanana eny amin’ny ivon-toerana Ampandrianomby omaly. Nahazo mari-pahaizana ireo olona manana fahasembanana 25 eny amin’ny ivontoerana natokana ho azy ireo etsy Ampandrianomby, omaly. Nifototra tamin’ny asa tena ny fiofanana. Tamin’ity, fiompiana tantely […]

Tily eto Madagasikara : nampihaona skoto 1 500 ny lalao nasionaly Tendro

1 500 ny tily eto Madaga­sikara mandray anjara amin’ ny lalao nasionaly Tendro. Maharitra hadimiana ny lalao. Tanjona amin’izany ny hano­sika hatrany ny kolontsaina skoto sy hanaovana tombana ny vokatry ny fanabeazana skoto tao anatin’ny telo taona farany, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Efa nifa­rana ny talata lasa teo ny he­tsika, […]