Havaozina sy arahi-maso hatrany ny toe-draharaha mahakasika ny fiarovana ara-tsakafo any amin’ny faritra marefo indrindra amin’ny loza ateraky ny toetr’andro. Amin’ ny alalan’ny BNGRC no hanatanterahana izany mba hiantraika mivantana amin’ny faritra iasana. Jerena manokana izany ao anatin’ny toe-javatra iray ahitana fiakaran’ny tsy fahatokisan-tena ara-tsakafo noho ny fiovan’ny toetr’andro sy […]
Fiaraha-monina
CHU HJRA : Manampy ny marary rehefa fety ny fikambanana
Fikambanana maromaro no tonga manao asa soa eny amin’ny hopitaly rehefa fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona. Tsy diso anjara tamin’izany ny HJRA Ampefiloha. Nisy ny Krismasin’ny marary, izay fanao isan-taona. Nizarana kojakoja ilaina andavanandro ho an’ireo marary sy ny mpanaraka ny marary tao an-toerana. Teo ny Aumônerie Protestante nanome ny […]
CONIM : Sekoly mampianatra paramed maromaro handraisana fepetra
Nampiaka-peo ny holafitry ny paramed manoloana ny tsirambina ataon’ireo sekoly ambony sasantsasany mampianatra. Handraisana fepetra ary mety hiafara amin’ny fanakatonana ny sasany amin’izy ireo. Nanao tombana ny herintaona nitantanany ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara na ny Conim ny filohany, Andrianarison John. Efa maro ny zavatra vita nefa mbola lavitra […]
Toamasina : Manjaka ny asan-jiolahy
Jiolahy miisa folo niditra an-keriny tao amin’ny mpivarotra, tao Mangarano parisela 11/47, tsy lavitry ny foiben-toeranan’ ny orinasa mpanao asa vaventy, ny 20 desambra lasa teo. Ho an’ny andro voalohany, tsy tontosa izany noho ny fisian’ny vatan-dehilahy miandry amin’ny alina. Tratran’ny be noho vitsy sy ny fitaovana teny am-pelatanan’ny jiolahy […]
INDRAY MIJERY
Nankasitraka ny BNGRC sy ny tetikasa Mionjo tamin’ny fanomezana fitaovana ahafahany manatanteraka ny asa tandrify azy ny mponina avy amin’ny kaominina Faux Cap, distrika Tsihombe, faritra Androy, taorian’ ny fanamafisana fahaiza-manao sy fanomezana fampitaovana sy kojakoja. Ahafahan’ireo mpiantsehatra eny ifotony mihetsika avy hatrany ny fitaovana fa tsy mifampiandry manoloana ny […]




