Fiaraha-monina

Polisy monisipaly: mpampiofana enina navoaka tamin’ny fomba ofisialy

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo mpampiofana polisy monisipaly, andiany voalohany. Nisalotra ny anarana hoe “ Vanona” izy ireo. Notontosaina tetsy amin’ny amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Miisa 6 mianadahy ireo nahavita fiofanana ary efa polisy monisipaly nandritra ny 20 taona latsaka. Ta­lohan’izao lanonana izao, nianatra nandritra ny herintaona […]

Tetibolam-panjakana 2023: handoa hetra ny sekoly tsy miankina

Voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana taona 2023 fa handoa hetra ny sekoly miahy tena. Tsy voakasik’izany kosa ny sekoly miankina amin’ny finoana, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny sekoly tsy miakina, Rakotomalala Célin, omaly. «Samy mandray saram-pianarana avokoa ny sekoly tsy miankina sy ireo sekolim-pinoana ka mahatsapa izahay fa […]

Miantraika amin’ny asa: tsy ampy ny sora-bola iadiana amin’ny VIH/Sida

30% amin’ny vola ha­na­tanterahana ny drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny VIH/Sida ho an’ny ta­ona 2018-2022 ihany aloha no teo am-pelatanana sy nampiasaina hanata­nte­ra­hana ny paikady sa­mi­hafa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ny fandaharanasa sy ny tohana teknika ao amin’ny komitim-pirenena misahana ny ady amin’ny Sida (CNLS), Dr Ra­ko­tomalala Fara, omaly, teny Ampefiloha. Avy […]

Ankizivavy sy vehivavy miavotra: 100 andro hahafahana mianatra sy ho voaaro amin’ny herisetra

Mbola mitoetra ny vesatry ny kolontsaina malagasy manome vahana ny lehilahy ka tsy ahafahan’ny ankizivavy mivoatra sy misitraka ny zony hivelarany amin’ny fiainany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara, i Estelle Andrianasy. Niantso ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonim-pirenena ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny hanao asa mandritra […]

Anosy: mpiasan’ny fahasalamana 40 nofanina

Notanterahina tao amin’ny distrikan’i Beloha sy Tsihombe ny fampiofanana ireo mpia­san’ny fahasalamana 40 nahitana dokotera sy mpitsabo mpanampy ary mpampivelona. Tanjon’ny fiofanana ny hahafahany manatsara ny asany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy fandraisana marary. Avy any amin’ny faritra An­droy, Anôsy ary Atsimo Andrefana izy 40 mianadahy ireo. Nohamafisina tamin’izany […]