Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kermesy lehibe iombonan’ny mpitandro ny filaminana, atao eny amin’ny kianjan’i betongolo. Haharitra 10 andro, nanomboka omaly ary hifarana ny 26 jona hoavy izao. Tanjona ny hisian’ny fiombonam-po eo amin’ny vahoaka malagasy mandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ ny fetin’ny fahaleovantena. Nambaran’ny ministry ny fiarovam-pirenena, jeneraly […]
Fiaraha-monina
Tetikasa Haraton’Aina ao Farafangana : manomboka miarindoha ireo fianakaviana marefo
Faritra lasibatry ny rivodoza matetika ny ao Atsimo Atsinanana. Marefo vokatr’izany ireo ankohonana ka hiasa amin’ny tetikasa fiahiana sosialy. Miarindoha tsikelikely ireo ankohonana tena tafalatsaka anaty fahantrana lalina teo aloha. Miezaka mitazona ny paikady nomena rehetra izy ireo hahaleo tena ara-pivelomana manomboka izao. Fotoan-dehibe ho an’ ny distrikan’i Farafangana, faritra […]
Fetin’ny ray : sarotra ny mitady fanomezana
Homarihina amin’ny alahady izao ny fetin’ny raim-pianakaviana. Tsy dia maresaka toy ny fetin’ny reny fa mangingina na ny hetsika ara-barotra sy lanonana mahakasika izany aza. Sarotra ho an’ny ankohonana ihany koa ny mitady fanomezana hatolotra ny raim-pianakaviana. Vitsy karazana ka sarotra ny misafidy ny fanomezana ho azy ireo. Lafolafo koa […]
ONG Gret : Omen-danja ny asa sosialy
Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany teto amin’ny Nosy, ny ONG Gret amin’izao fotoana izao. Mandalo eto Madagasikara, araka izany, ny tale iraisam-pirenen’ny ONG ka nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny asa sosialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton. Nodinihina nandritra izany, ny zava-bita tao anatin’ ny fotoana nisian’izy ireo. “Nomen-danja ireo orinasa […]
Tsena eny Soanierana : nihaino ny fitarainan’ ny mpivarotra ny ben’ny Tanna
Nitsidika ny tsenan’i Soanierana ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, omaly. Notsidihana nandritra izany ireo tsenan’ny fokontany III I ao ambany tsena Soanierana sy ny tsenan’ny fokontany III J ary ny fokontany III L Soanierana. Nangatahan’ireo mpivarotra tao amin’ ny tsenan’ny fokontany III I tamin’ny ben’ny Tànana ny mba hanasiana vavahady […]