Fahasahiran’ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao ny mitady mpikarakara ny zanany. Noho ny fitadiavana isan’andro dia tsy manam-potoana ho an’ny ankizy izy ireo. Manoloana izany, efa misy ny fikambanana manome tolotra mifanaraka amin’ity karazana filana ity. Anisan’ ireny ny Fikambanana mikarakara zokiolona sy miahy ara-tsosialy eto Madagasikara (Fimibeama) eny Ambodivondava […]
Fiaraha-monina
Taona 2025: Alakamisy ny ankamaroan’ny andro tsy fiasana
Araka ny tetiandro ao amin’ny alimanaka taona 2025, mahatratra 12 andro no tsy iasana eto amintsika mandritra ny taona. Ny sabotsy 8 marsa no voalohany, hanamarihina ny Andro momba ny zon’ny vehivavy. Efa andro tsy iasana ny sabotsy ho an’ny ankamaroan’ny mpiasa ankoatra ireo sehatrasa sasany amin’ny sehatra tsy miankina. […]
Oniversiten’i Fianarantsoa: Nametrahana ny tetikasa Madatlas
Anisan’ny misitraka ny tetikasa Madatlas ny Oniversiten’Andrainjato. Angady nananana izany ny Fandaharanasa “Partenariats académiques Afrique-France”. Oniversite iray hanatanterahana ny tetikasa Madatlas ny ao Fianarantsoa. Tetikasam-panofanana iarahan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ny Université de Gustave Eiffel, ny Université de Bordeaux Montaigne ary ny Institut de recherche pour le développement (IRD). Nanomboka ny […]
INDRAY MIJERY
Nozaraina ny tambin-karama tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE tao amin’ny Cisco Fandriana. Vita koa ny fiofanana ho an’ireo mpampianatra mitazona kilasy T4, T5 sy ireo mpampianatra mitazona kilasy T1, T2, T3. Nitohy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpampianatra tsirairay ka tao amin’ny Zap Sahamadio sy ny Milamaina avy eo nitohy tamin’ireo Zap rehetra […]
Alaotra Mangoro : Latsaka noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana
Araka ny rotsakorana voarefy tamin’ny zanabolana, saika ny ilany andrefan’ Alaotra no nahazo rotsakorana, ny alahady teo. Niendrika tandrifin-drahona mitsitokotoko sy manify izany ho an’ny ilany Atsinanana sy tao Mangoro. Tombanana ho nanodidina ny 25-30mm teo ho eo ny tahan’ny rotsakorana tao anatin’ny 24 ora, ho an’ny distrikan’Amparafaravola, hoy ny […]





