Nikarakara fifanakalozana niaraka tamin’ny tanora 15 solontenan’ny faritra momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora (SRA) ny Coalition droit de disposer de son corps et les droits et santé sexuelle et reproductifs- Forum génération égalité, ny herinandro lasa teo. Nifotoran’ny fifampizarana ny zava-misy momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora any amin’ny faritra sy […]
Fiaraha-monina
Cisco Maevatanana: mpianatra 70 iray kilasy tsy omena “convocation”
Velon-taraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra 70 mianadahy ao amin’ny sekoly tsy miankina Les As, ao amin’ny Cisco Maevatanana, fari-piadidiam-pampianarana (Dren) Betsiboka. Hatramin’izao, tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana hiatrehana ny fanadinana BEPC ny zanak’izy ireo. Ny sekoly rehetra ao amin’ny Cisco Maevatanana, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, anefa […]
Fitsindronana zava-mahadomelina : ankizy 132 nosamborin’ny polisy nandritra ny volana avrily
Nirongatra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne, rôrô, rongony…) tato ho ato. Mampalasa adala, mampiakin-doha, mahatonga tsy fandriampahalemana ary mampirongatra aretina maro (Vih sida…) izany. Loza mitatao ho an’ ny tanora ny fifohana sy fitsindronana zava-mahadomelina, raha ny zava-misy. Maro amin’ izy ireny no tratran’ny aretin-tsaina. Misy ny lasa olon-dratsy […]
JNE : Omena lanja ny fiarovana ny tontolo iainana
Hotanterahina eto Antananarivo, ny 26 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fihaonambe nasionaly ho an’ny ankizy (JNE), andiany fahatelo, eo anivon’ny fiangonana katolika. “Rankizy, andao hiara-dia hitory ny Vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy” ny lohahevitra. Vinavinaina hahazo ankizy 15000 (6 -14 taona) avy amin’ny diosezy 22 manerana ny Nosy […]
Taranja anglisy : manamafy ny traikefa ireo mpampianatra any atsimo
Manamafy ny traikefany, amin’ny fampianarana ny taranja anglisy eny anivon’ny sekoly, ireo mpampianatra 25 mianadahy ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny American English Training of Trainers (AE TOT) no hahafahan’izy ireo manao izany. Hianatra ny teknika vaovao fampianarana ny taranja anglisy hampiharina any an-dakilasy izy ireo, mandritra ny 4 […]