Olona mifefitena no anarana akademika fiantsoana ny olona manana toe-tena autiste, araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana Autisme federation Madagascar izay ivondronan’ny fikambanana 10 misehatra amin’ny fanabeazana ireo ankizy mifefitena eto amintsika. Efa miasa amin’ny faritra dimy ny Vovonana amin’izao fotoana. Nandray ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny sendikàn’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fampianarana […]
Fiaraha-monina
EPP Maibahoaka-Talatamaty : nahazo efitrano fianarana enina vaovao
Vita ny fananganana ny efitrano fianarana vaovao eo anivon’ny EPP Maibahoaka, kaominina Talatamaty. « Sekoly faha-25 notohanan’ny fondation Viséo ny eny Maibahoaka ary nanome vola ampahany namitana ny asa koa ny Groupe Enac, miorina sy miasa eny Talatamaty, nampiseho fahavononana hanampy ny mpiara-belona », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny fondation Viséo, Ralaiarizaka […]
Karama farany ambany : mbola maro ny mpiasa tsy misitraka
Nandritra ny fidinana teny anivon’ny orinasa maromaro nataon’ireo mpanara-maso ny asa, ao amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana no nahafantarana fa maro ireo lehiben’orinasa tsy mampihatra akory ilay karama farany ambany tokony hositrahin’ny mpiasa. Tsy sahy manao fitakiana na miandry ny rariny ireo mpiasa ka manaiky ny karama vary masaka […]
Fambara fahaketrahana : mila omen-danja ny fahasalaman’ ny saina any am-piasana
Fotoana hanomezan-danja ny fahasalaman’ny saina eny anivon’ny toeram-piasana ny lohahevitra hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana amin’ity taona ity, manomboka rahampitso ary haharitra hateloana, eto Antananarivo. Misy fambara fanairana tsy voatery miseho ety ivelany tokony hanaitra ny fianakaviana na ny manodidina fa mety tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina ny olona iray […]
INDRAY MIJERY
Ankalazaina ny 10 oktobra ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Ho fanamarihana izany, mikarakara “Rendez-vous du remapsen santé mentale” ny fikambanana Remapsen Mada eny amin’ny OJM Ambohidahy, manomboka amin’ny 10 ora maraina, anio. Lohahevitra hifampizarana ny “Fahasalaman’ny saina miabo” hiarahana amin’ny Dr Razafimahefa Julien, filohan’ny Autisme Fédération Madagascar, sy […]




