Efa nisokatra ny 13 marsa lasa teo ny fisoratana anarana ho an’ireo liana handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix orange de l’entrepreneur social” aty Afrika sy Moyen Orient (Poesam), andiany faha-13. Fananganana tetikasa mikirakira ny teknolojia vaovao sady mitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina no tanjona ka anisany manana mpifaninana i Madagasikara. […]
Fiaraha-monina
Fiatrehana ny haintany sy ny rivodoza: hampitovy fomba fiasa ireo misehatra amin’ny fiahiana sosialy
Tena ilain’ny mponina aorian’ny rivodoza rehefa fotoam-pahavaratra sy ny fotoanan’ny haintany sy maitsoahitra ny karazana tohana sosialy. Hivoaka, araka izany, ny torolalana iraisan’ireo mpiantsehatra sosialy, hitovian’ny asa tanterahina eny ifotony. Notanterahina, omaly, teny Anosy, ny atrikasa fakan-kevitra, hankatoavana ny torolalana amin’ ny fomba fiasa mitovy iraisan’ ireo mpisehatra amin’ny fiahiana […]
Fivezivezen’ny kamiao : hentitra amin’ny fanajana ora ny CUA
Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny ora fivezivezen’ny fiara vaventy na ny kamiao anaty tanàna. Araka ny voafaritry ny Arrêté interministeriel N°11350/ 2015 dia mazava tsara ary efa fantatr’ireo mpampiasa ireny kamiao ireny ny ora fivezivezena. Ho an’ireo fiara vaventy mihoatra ny 16 taonina (PTAC), voafetra amin’ny 9 […]
Nifin’Akanga : “Goragora ny lalàna mifehy ny fanalan-jaza”
Voafaritra ho anisan’ny firenena afrikanina manana fehezan-dalàna goragora mikasika ny fanalan-jaza i Madagasikara nanomboka ny taona 2017, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny fikambanana Nifin’Akanga. Nilaza izy ireo fa antony faharoa mahatonga ny fahafatesan’ny reny betsaka eto Madagasikara ny fahasarotana ateraky ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Vokatry ny fahaverezan-dra […]
Cisco Antananarivo Renivohitra : nidina ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE sy BEPC 2023
Miroso ny fanomanana ny fanadinam-panjakana ary fantatra ny isan’ny mpiadina rehetra ho an’ny CEPC sy ny BEPC. 27 862 ny isan’ny mpiadina nisoratra anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE 2023, araka ny tatitra avy amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 68 ny sokajy A, 24 508 ny sokajy B ary 3286 ny sokajy […]