Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo olona voaheloka amin’ ny fanolanana. Noraisina, araka izany, ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana mahakasika ny fanolanana na fikasana hanolana. Efa nanome toromarika rahateo ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny hanamafisana izany […]
Fiaraha-monina
Holafitra nasionaly : «Hanenjika ny mpisandoka ho infirmier manomboka izao»
Mampitandrina ireo toeram-pitsaboana tsy miankina mampiasa olona mitonona ho infirmier nefa tsy manana diplaoma ny holafitra satria hiroso amin’ny fanenjehana manomboka izao. Nanao fivoriana voalohany ny mpikambana amin’ny biraon’ny holafitra nasionalin’ny infirmier sy ireo biraom-paritra 23, teny amin’ny HJRA, omaly. Nikorontana ny tontolon’ny asan’ny infirmier nandritra ny 15 taona farany ka […]
Masoivoho japoney : miisa 200 ny tetikasa notohanana
Nohavaozina sy nitarina ny EPP Andohatapenaka, ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Avy amin’ny famatsiana nomen’ny masoivoho japoney eto amintsika no nahazoana ny fotodrafitrasa. Mitentina 70 482 euros ny asa fanavaozana. Notanterahina ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ ny fiandohan’ny herinandro ny asa […]
Vokatry ny orambe : efatra no maty, telo tsy hita
Nitombo ho telo ny olona tsy hita vokatry ny orambe niseho nanomboka ny 16 janoary lasa teo, araka ny tatitry ny BNGRC omaly. Iray tany Boriziny, iray hafa any Mandritsara ary tany Ambanja ny fahatelo. Nitombo roa izany ny isa raha mbola iray no tsy hita afakomaly. Niampy koa ny […]
USAID-Fampianarana : 10 tapitrisa dolara hanaovana ny tetikasa « Lova »
Hotanterahina any Atsimo Atsinanana sy Androy ny tetikasa “Lova”, vatsian’i Etazonia vola. Hisitraka tombony amin’izany ireo mpianatra an’aliny sy ny mpampianatra. Hiantsehatra indray eo amin’ny fanampiana an’ i Madagasikara amin’ny sehatry ny fampianarana i Etazonia rehefa nampitsahatra izany tao anatin’ny 15 taona. Hotanterahina ny tetikasa “Lova” izay handrotsahana vola mitentina […]




