Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faran’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka izany, ho fantatra aorian’ny voka-dalao rehetra ireo ekipa valo hanao ny “Playoff 2023”. Tsiahivina fa mbola ekipa efatra ihany hatramin’izao no efa tafita, anisan’izany ny ekipan’ny Fosa Junior FC Boeny, Cosfa Analamanga, ho an’ny […]
Fiaraha-monina
Harena an-kibon’ny tany : nasiam-panovana ny lalàna vaovao
Taorian’ny fankatoavan’ ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ ny tany (code minier), ny alarobia lasa teo, nitondra fanazavana Rakotomalala Olivier Herindrainy, minisitry ny Harena an-kibon’ny tany. Nambarany nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny Ampandrianomby, omaly antoandro, fa anisan’ny nasiana fanovana anatin’ity lalàna ity ny […]
Tsy fandriampahalemana : nidina nanao fisafoana ireo minisitra
Taorian’ny dinika notanterahin’ireo minisitra telo misahana ny fandriampahalemana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, nitohy tamin’ny fidinana teny an-kianja indray izany ny alakamisy alina teo. Fidinana mifanindry amin’ny toromarika voaray momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Araka izany, nanara-maso ireo fisafoana misandrahaka eran’Antananarivo ireto tomponandraikitra ireto. Nitarika izany fidinana izany […]
CRMM Antsirabe : maro ny nitondra ny zanany hotsaboina
Nanomboka omaly ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra karakarain’ny Centre de rééducation motrice de Madagascar (CRMM), ao Antsirabe. Nitomandavana ny filaharana hatry ny omaly ka ireo zaza manana olana amin’ny fivelarana ara-tsaina na fitombon’ ny zaza no hita ho maro anisa. Ao ireo zaza tsy afaka mandeha, mihinjitra fihetsika, tsy […]
RLCs andiany faha-21: tanora malagasy 10 mianadahy voafantina
10 mianadahy indray ireo tanora malagasy mpitarika voafantina amin’ny andiany faha-21 amin’ny programa “YALI Regional Leadership Center Southern Africa” (RLCs). Nihaona tao amin’ny masoivoho amerikanina izy ireo, omaly, ary nandray ny torolalana momba ny fiofanana izay hatrehiny. Niofana nandritra ny 3 herinandro amin’ny alalan’ny fampianarana ampitain-davitra izy 10 mianadahy ireo. […]