Fiaraha-monina

Escadron transport Arivonimamo: voatendry ho kaomandy vaovao ny Kly Raminosoa Fetra

Notontosaina ny zoma teo, teny amin’ny “Escadron transport Arivonimamo” na ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka 213. Roa sosona ny lanonana ara-miaramila tamin’izany. Eo ny fandraisan’ny Kly Raminosoa Fetrarivony ny kaomandin’ny toby vaovao, ny fibaikoana ny “base aérienne 213”. Teo koa ny fanaovam-beloma ara-miaramila na “adieux aux armes” ny kaomandin’ny toby […]

Boriborintany I : raikitra ny hetsika ara-pahasalamana

Hotanterahina eny amin’ ny boriborintany voalohany manomboka anio ary haha­ritra efatr’andro ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Ho tonga ao amin’ny Centre NRJ ny dokotera sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatanteraka izany, handray ireo olona manao fizaham-pahasalamana. Tolotra ara-pahasala­mana maro no ho hita mandritra io efatr’andro io. Anisan’ izany ny fizahana maso maimaimpoana […]

Feno 45 taona ny CEG Ivato : manantena ny fotodrafitrasa vaovao nampanantenain’ny mpitondra

Nanokatra ny fanamarihana ny faha-45 taona niorenany ny CEG Ivato, ny faran’ ny herinandro teo. Tamin’ izany no nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny filoham-pirenena ny hamitana ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fanavaozana izay nampanantenainy tamin’ny taon-dasa. Efa tena tranainy ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana. Nilaza ny talen-tsekoly fa efa tandindonin-doza ireo […]

SENVH : ho vita ao anatin’ny telo volana ny tetikasa Teleferika

Efa am-perinasa ny Teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto amintsika. Efa tomombana ny lafiny teknika rehetra ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa. Nidina tetsy Anosy ni­jery ny fizotran’ny asa fametrahana ny teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Eo no hipetraka […]