Fiaraha-monina

Toetr’andro : ahina mafy ny rivodoza amin’ny herinandro

Nanazava ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Am­pandrianomby fa vinavinaina hanome vahana ny fiforonana rivodoza ao amin’ny Ra­no­masimbe Indiana sy ao amin’ny lakandranon’ny Mozambi­ka ireo fepetra an-dranomasina sy ny atmosfera amin’io herinandro miditra io (06 – 12 Febroary 2023). Misy fanahiana kely ho an’i Madagasikara ny amin’izany fiforonana andro […]

Fitsidihan’ny filoha Rajoelina ny any Marovoay : nahazo tohana ara-tsakafo sy tolotra ara-pahasalamana ireo traboina

Nitsidika ny distrikan’i Marovoay ny filoham-pirenena Rajoelina Andry nanomboka omaly ka ny kaominina Ankaboaka no nisantarany izany ary nitondrany tohana ho an’ny traboina miaraka amin’ny tolotra ara-pahasalamana. Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny rivodoza Cheneso ao amin’ny kaominina Ankaboaka, distrikan’i Marovoay ,faritra Boe­ny, ny filoham-pirenena, Ra­joelina Andry, omaly. Ma­ha­tratra […]

CUA – SMA – SMEV : nanao fizaham-pahasalamana teny ifotony

Manatanteraka hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana ny CUA miaraka amin’ny SMA sy ny SMEV nanomboka omaly ary mitohy anio. Nisantatra ny hetsika fizaham-pahasalamana omaly, teny Ampasampito, ireo mpiasan’ny SMA sy ny SMEV ombam-bady aman-janaka. Nahafahana nanao fitiliana ny diabeta, tosidra, fizahana maso, fandanjana sy fanomezana torohevitra ny reny sy ny zaza. Nisy […]

Ankatso II: tapaka lava ny rano, nitokona ireo mpianatra

Tsy misy rano! Mitaky ny hamerenana ny famatsiana rano amin’ny ara-dalàna ireo mpianatra. Efa nisy ny vahaolana naroson’ny jirama sy ny CrouA manoloana izany. Nitokona sy nanao fanakan-dalana ary nilanja sora-baventy, “banderole”, ireo mpianatra teny Ankatso II, omaly. Nitaky ny hamerenana ny famatsian-drano eny an-toerana izy ireo. Efa tapaka an-taonany […]

Indray mijery

Nanao sonia fiaraha-miasa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Profesora Assou­macou Elia Béatrice sy ny masoivoho japoney miasa eto amintsika, Abe Koji, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hiompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tohana ka voakasika manokana ny fiarovana ny Yagiyama Zoological Park sy ny Parc […]