Fiaraha-monina

“Foara B to C” : hampihaona ny mpamo­katra sy ny mpanjifa

Ny fisian’ny mpanelanelana matetika no mampiaka-bidy ny entana sy ny vokatra rehefa tody eny amin’ny mpanjifa. Ao anatin’ny “Foara B to C”, hampihaona mivantana ny roa tonta ny hetsika fampirantiana sady varotra ihany koa, izay karakarain’ny NCom Agency. Efatra andro (28-31 aogositra) no handraisan’ny trano heva miisa 100 ny hetsika, […]

Fitaterana an-tariby: hiasa amin’izay ny zotra Anosy-Petite Vitesse

Hiodina tsy ho ela ny zotra teleferika mampitohy an’Anosy sy Petite Vitesse satria efa tomombana tsara ny ara-teknika sy azo antoka. Mitohy ny asa ho an’ny zotra hafa Nanao tatitra mahakasika ny fitaterana an-tariby ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard. Nisongadina tamin’izany ny hampandehanana […]

INDRAY MIJERY

Ahitana fiakarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Avo telo hatramin’ny efatra heny mihoatra ny fetran’ny OMS ireo refy rehetra voaray. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho mankarary ireo olona marefo ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo. Tombanana mbola hitoetra ny zavona ny maraina amin’ny ankamaroan’ny faritra maro […]

Sampana teknika : tsara ny taham-pahafahana fanadinana

Efa nivaly avokoa ireo fa­nadinana isan-tsokajiny ho an’ny ivontoeram-panofanana sy lisea teknika manerana ny Nosy, nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arakasa. Nahafa-po ny vokatra azo amin’ny ankapobeny, hoy ny tomponandraikitra. Ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny amin’ny LTP. Miisa 42386 ny mpiadina tonga teny anivon’ny foibem-panadinana 183. […]

Trano mora : miroso amin’ny fifanarahana ara-barotra

320 ny trano mora natsangan’ny fanjakana eny Imerin­tsiatosika. Nihaona tamin’ireo olona nahafeno fepetra sy efa vita fisarihana hisitraka izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana, ary nitondra fanazavana ny amin’ny dingana fandoavam-bola. Nampaha­fantarina azy ireo ny fahafahan’ny sokajin-tokantrano tsirairay manefa ny vidin’ny trano ary ny fanohizana ny dingana […]