Hifarana ny zoma ho avy izao ny fisoratana anarana sy fandrotsahana antontan-taratasy fangatahana hisitraka trano fonenana ho an’ny mpianatra anivon’ny oniversite Barikadimy-Toamasina. Araka ny valandresaka nataon’ny filohan’ ny oniversite, dokotera Razanakolona Dina sy ny talen’ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy. Ankoatra ny filazana ny fiatrehan’ ny mpianatra ny fisokafan’ny taom-pianarana […]
Fiaraha-monina
SMA-CUA-Simiralenta : miara-manodina ny akora azo ampiasaina
Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) ary ny Simiralenta niaraka tamin’ny Genre en Action. Niompana tamin’ny fampidirana sy fampifandraisana ny miralenta eo amin’ny fanodinana sy fikirakirana ireo akora azo ampiasaina ao amin’ny Station de traitement […]
Mpiasan’ny fonja : 100 Ar ka hatramin’ny 2 600 000 Ar ny sandan’ny kolikoly alaina
Natolotra, omaly, teny Ankorondrano, ny boky torolalana hisorohana ny tranga kolikoly eny anivon’ny fonja eto Madagasikara. Boky novokarin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona (CNIDH) sy ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny frankofonia (OIF) ary ny masoivoho frantsay eto amintsika. «Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafantarana ireo tolotra tokony tsy handoavam-bola mandritra […]
Fandalovan’ny rivodoza : nankahery ireo traboina ny mpianatry ny CEDS
Teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard sady directeur des études an’ireo mpianatry ny CEDS “Centre d’études diplomatiques et stratégique” eny Androhibe. Nizara fanampiana ho an’ireo olona marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ny andiany faha 13 eo anivon’ny CEDS, ny asabotsy […]
Antsirabe: hanao ny asan’ny mpamonjy voina ny “5UPC”
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny “35° Unité de Protection Civile” na ny “5UPC » ao Antsirabe ny 30 janoary teo. Notanterahina niaraka tamin’izany koa, ny lanonana fandraisana fibaikoana ho an’ny Komandin’ity holafy vaovao ity, ny Kapiteny Raharimanitra Sitraka. Nisitraka fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka Frantsay ny tananàn’Antsirabe ka nahafahana nanangana ny 5UPC. […]