Fiaraha-monina

Toetr’andro : mihaodihaody indray ny rivodoza

Nambaran’ny mpaman­tatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianoimby, omaly, fa vinavinaina hisy fiforonana rivodoza vaovao indray any amin’ny ranomasimbe India­nina amin’ny faran’ity herinandro ity na ny fiandohan’ny herinandro any. Raha ao anatin’ny dimy andro ho avy kosa dia tsy atahorana ny fiovan’ny toetr’andro mihoapampana na ny fiforonana rivodoza manodidina an’i […]

Oniversiten’i Barikadimy : mpianatra 2 000 hisitraka trano fonenana

Hifarana ny zoma ho avy izao ny fisoratana anarana sy fandrotsahana antontan-tara­tasy fangatahana hisitraka trano fonenana ho an’ny mpianatra anivon’ny oniversite Barika­dimy-Toamasina. Araka ny va­landresaka nataon’ny filohan’ ny oniversite, dokotera Raza­nakolona Dina sy ny talen’ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy. An­koatra ny filazana ny fiatrehan’ ny mpianatra ny fisokafan’ny taom-pianarana […]

SMA-CUA-Simiralenta : miara-manodina ny akora azo ampiasaina

Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra sy ny So­ciété Municipale d’Assainis­se­ment (SMA) ary ny Simiralenta niaraka tamin’ny Genre en Action. Niompana tamin’ny fampidirana sy fampifandraisana ny miralenta eo amin’ny fanodinana sy fikirakirana ireo akora azo ampiasaina ao amin’ny Station de traitement […]

Mpiasan’ny fonja : 100 Ar ka hatramin’ny 2 600 000 Ar ny sandan’ny kolikoly alaina

Natolotra, omaly, teny Ankorondrano, ny boky torolalana hisorohana ny tranga kolikoly eny anivon’ny fonja eto Madagasikara. Boky novokarin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona (CNIDH) sy ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny frankofonia (OIF) ary ny masoivoho frantsay eto amintsika. «Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafantarana ireo tolotra tokony tsy handoavam-bola mandritra […]

Fandalovan’ny rivodoza : nankahery ireo traboina ny mpianatry ny CEDS

Teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raha­raham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Ri­chard sady directeur des études an’ireo mpianatry ny CEDS “Centre d’études diplomatiques et stratégique” eny Androhibe. Nizara fanampiana ho an’ireo olona marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ny andiany faha 13 eo anivon’ny CEDS, ny asabotsy […]