Fiaraha-monina

Faritra Atsinanana : hapetraka amin’ny sekoly 46 ny tolotra niomerika

Hapetraka eny anivon’ny sekoly rehetra ao anatin’ny faritra Atsinanana ny fikirakirana ny tolotra niomerika iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Unité de gouvernance digitale (UGD). Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana, amin’ny alalan’ny fikirakirana ny tolotra sy fitaovana niomerika. Ma­nohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena, araka ny fanazavana azo. Hitondra […]

INDRAY MIJERY

Tanterahina any amin’ny faritra Boeny ny atrikasa fanofanana ireo mpampiofana momba ny lalàna mifehy ny asa. Teknisianina 20 avy amin’ny faritra 6 no miatrika izany. Mbola andrasana eny anivon’ny HCC ilay volavolan-dalàna mahakasika ity lalàna mifehy ny asa ity ankehitriny. Tanjona ny hikatsahana ny tombontsoa iraisana amin’ny fampiroboroboana ny tontolo’ny […]

Fampianarana teny anglisy : ELTA, ivondronan’ny mpampianatra

Nampahafantatra ny fijoroany ara-dalàna ny fikambanan’ny mpampianatra teny anglisy eto Madagasikara (ELTA), ny fiandohan’ny herinandro teo. Dingana lehibe iray ho an’ny fampianarana teny anglisy izao, hoy ny ma­soivoho amerikanina, Claire Pierangelo. Nankasitraka ireo mpampianatra teny anglisy manerana ny Nosy noho ny ezaka vitan’izy ireo ny tenany. Tanjona ny hiara-hametraka fototra […]

Lycée Jacques Rabemananjara : vita ny fankalazana ny faha-65 taona

Nankalazaina ny sabotsy 6 jolay teo ny famaranana ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ ny Lycée Jacques Rabemanjara, tany Toamasina. Ray mpiahy ny fankalazana i Zafivanona Lainkana Erneste, tale jeneralin’ny fadintseranana. « Anisan’ny nahazo soa maro tamin’io sekoly io aho ka antony naha toy izao ahy », hoy izy. Nambarany fa anisan’ny […]

Faharanitan-tsaina artifisialy : efa lasa lavitra i Sina amin’ny fikirakirana

Nitsidika tany Sina sy nandray anjara tamin’ny fifanakalozana ny mpanao gazety sy tomponandraikitra amin’ny serasera 20 avy eto Madagasikara, ny 14 ka hatramin’ny 27 jona lasa teo. Hetsika efa fanao ny fanasana mpanao ga­zety amin’ny firenena maromaro ho any Sina anatin’ny fandaharanasa fiaraha-miasa, fa tamin’ity taona ity, natokana ho an’ny […]