Nisy ny fanadihadana natao momba ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny mpanabe teny amin’ny sekolim-panjakana (EPP) 800 ny taona 2016 ka hatramin’ny 2021, teny anivon’ny kaominina 548 niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Nivoitra fa 4% amin’ny mpianatra kilasy T4 nanaovana fanadihadiana no nahamarina ny 80% amin’ny fanontaniana napetraka ho an’ny taranja kajy […]
Fiaraha-monina
Lemak’Antananarivo… Miakatra ny rano, mihatra loza manambana
Nanomboka omaly maraina, mihatra eto amin’ny lemak’Antananarivo ny filazana miloko mavo, indrindra ho an’ireo manamorona ny reniranon’i Sisaony. Miakatra tsikelikely ny rano vokatry ny rotsak’orana nisesy. Voakasiky ny filazana ny kaominina valo manodidina. Anisan’izany ny kaominin’i Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, […]
Mpiofana miaramila 122… Vonona hiady anaty akata
Nandrato fahalalana sy fahaiza-manao nandritra ny sivy volana ireo mpiofana miaramila. nahavita izany tany Imerintsiatosika izy 122 lahy. Ankehitriny, vonona handray ny andraikiny avy ny tsirairay. Tafika an-tanety handeha tongotra sy hiady anaty akata. Ireo no adidy miandry an’ireo mpiofana miaramila 122 nivoaka tetsy Betongolo, omaly. Andro namaranana tamin’ny fomba […]
ONG HWL sy ny Institut IGSA… Hanome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra sahirana
Miara-miasa ny ONG maorisianina Human welfare league (HWL) sy ny Institut culturel et social Al-ghazali (IGSA) eto amintsika hanome vatsim-pianarana ny mpianatra malagasy. Ireo mendrika sy misongadina nefa tsy manana fahafahana hanohy fianarana ambony intsony no iantefan’izany. Natokana ho an’ny mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalorea ka nahazo ny salanisa 15/20 […]
Lemak’Antananarivo… Arahi-maso ireo vavarano
Mitohy mikija ny orana eto Antananarivo. Nilaza ny Apipa fa arahi-maso akaiky ireo vavarano mandefa ny ranon’orana hivarina any an-drenirano. Miasa andro aman’alina ny ekipa rehetra ary mihodina avokoa ireo Station de pompage enina iandraiketan’ny Apipa manafaingana ny famoahan-drano. Nanentana ireo kaominina rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina handray ny […]