Iray amin’ireo firenena dimy misitraka ny tetikasa Albatross aty amin’ny faritra Afrika atsimon’i Sahara i Madagasikara, miaraka amin’i Kenya, Afrika Atsimo, Tanzanie ary Ghana. Hanafainganana ny fahafaha-miatrik’ireo firenena ireo ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tetikasa ary vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola. Fantatra taorian’ny fanadihadiana lalina natao momba ny fahasarotana hita amin’ny fiovaovan’ny […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nanao tatitry ny asany teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fampianarana garabola, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney iray. Ankoatra ny fizarany ny fomba fampianarana, nisy ny fiofanana natao ho an’ireo mpampianatra. Niara-niasa tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra koa izy mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanabeazana ny ankizy. Taorian’ny faritr’i […]
BEPC Cisco Toamasina I : afaka ny zandriny sy ny zokiny indrindra
Amin’ny ankapobeny, niakatra ny taham-pahafahana fanadinana BEPC taona 2024 ho an’ny Cisco Toamasina I, araka ny fanazavana azo. Nahatratra 62,36% ny tahan’ny mpianatra tafita soa aman-tsara ka nahazo ny mari-pahaizana BEPC. Mpiadina 5 072 no tonga nanatrika fanadinana, raha 5375 kosa ny voasoratra anarana. 303 ireo mpiadina voasoratra anarana tsy […]
Horonantsary mahakasika ny ankizy any Atsimo : nasongadina ny fiainan’ny olona manoloana ny tsy fisian-drano
Maro ny tsy mahafantatra ny tena zava-misy marina iainan’ny mponina any amin’ny faritra Atsimo. Manampy betsaka sy hanairana ny sain’ny rehetra eto amin’ny firenena ny namokarana ny horonantsary mahakasika izany. Nalefa tetsy amin’ny Havoria Anosy, ny sabotsy teo, ny horonantsary manasongadina ny tontolom-piainan’ny ankizy any amin’ny faritra Atsimo. Namokatra sy […]
Jean Nirina R: « Tsy tokony hiandry fanjakana vao hiasa… »
Nifarana omaly ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra, andiany faharoa, tamin’ity taona ity. Naharitra efatra andro ny hetsika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny fahasalamam-bahoaka. Tsy diso anjara tamin’izany ny teo anivon’ny fokontany Anosizato Atsinanana. « Mbola misy ny lefakozatra ka tsy tokony hatao antsirambina ny fahasalaman’ny ankizy », hoy ny sefo fokontany Anosizato Atsinanana, […]





