Maty voatifitry ny zandary ny roa tamin’ireo nanafika sy nandroba mpivarotra tao amin’ ny fokontany Mahatazantsoa, kaominina Andranofasika distrikan’Ambatoboeny, ny asabotsy teo. Tokony ho tamin’ ny 08 ora sy sasany alina teo, naharay antso ny zandary fa voatafika ny tsena iray ao an-toerana. Voaroba ny vola 1.750.000Ar, finday iray, firavaka […]
Fiaraha-monina
Fampianarana : hodinihina any Genève ny famatsiam-bola
Misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny kaonferansa avolenta momba ny famatsiam-bola ny tahiry ho an’ny «tetikasa fampianarana tsy afa-miandry», ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena malagasy. Fihaonana izay hotanterahina any Genève, ny 16 sy ny 17 febroary 2023 izao. Ny volana septambra tamin’ny taon-dasa no efa nanao antso avo ny tahiry eran-tany ho […]
Fanahiana fihotsahan’ny tany: tsy andraikitry ny fanjakana ny famindrana ny mponina
«Efa nandray ny andraikiny ny fanjakana tamin’ny fametrahana ny saina mena eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina. Ampahafantarina ny fisian’ny tandindon-doza ny toerana iray ka tokony handray fanapahan-kevitra mifandraika amin’izay ny mponina», hoy ny tale jeneralin’ ny BNGRC, omaly. Fokontany 15 ahitana mponina 10 000 no voakasiky […]
Taona 2022 : 2170 ny CSB nahazo fampitaovana
Nanao tombana ny fampitaovana teny amin’ny CSB ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2022. Fantatra tamin’izany fa miisa 2170 ireo CSB nisitraka famatsiana ara-pitaovana nifandraika tamin’ny filana eny ifotony. Miankina amin’ny fangatahana ataon’ny tobim-pahasalamana no namaliana ny filany mba hanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana. Nahitana kidoro 800 isa sy latabatra […]
BNGRC : efa vonona amin’ny fiatrehana ny rivodoza
Tamin’ny taon-dasa no efa niomana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra sy ny rivodoza ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka. Vonona ny fitaovana sy ny toeram-pandraisana. Efa voasoratra ao anatin’ ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2023 ny sorabola 2 miliara Ar anjaran’ ny fitondrana malagasy amin’ ny «Fonds national de contingence», […]