Mahomby ny fanentanana sy fandresen-dahatra ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony ka maro no tonga manao fanabeazana aizana. Ny USAID Access no nizara ny teknikam-panentanana mahomby. Manodidina ny 40 isan’andro ireo olona tonga manao fandrindram-piterahana ao amin’ny CSBII Anjoma, Fianarantsoa, araka ny fanazavana nentin’ny rasazy Rambeloson Nivo. 15 taona ny zandriny […]
Fiaraha-monina
Mpikapoka vato
Anisan’ny asa iray be mpanao ny fikapohana vato eto Madagasikara. Tsy mifidy taona sy sokajin’olona ny fanaovana izany fa hita ao avokoa ny olon-drehetra, na lahy na vavy. Anisany manao izany, eto Antananarivo, ny renim-pianakaviana iray antsoina hoe Rasoavololona Fanja Claire. Nanomboka nikapo-bato teo amin’ny faha-10 taonany Rasoavololona Fanja Claire. […]
fiatrehana ny voina : vita ny Drafitrasa nasionaly Pongu
Narafitra ho laminasa voarakitra an-tsoratra ny asa rehetra ao anatin’ny hamehana mandritra ny fiatrehana ny loza (tondradrano, rivodoza…). “Tafiditra ao amin’ny politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), Andriakaja Elack Olivier, omaly, […]
Fandaharanasa USAID Access : nifarana ny tetikasa amin’ ny anivon-tany
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa ara-pahasalamana Accessible Continun of Care and Essential Services (Access), izay vatsian’ny USAID vola ary tanterahin’ny MSH. Anisan’ny ifantohan’ny tetikasa ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ka tafiditra amin’izany ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Natao tany Fianarantsoa ny hetsika famaranana ho an’ny […]
INDRAY MIJERY
100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana ateraky ny rivodoza sy ny loza voajanahary eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tsapa ny ezaka ataon’i Madagasikara tao anatin’ny 10 taona, vokatry ny fananana politika nasionaly hitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nijanona ho antonony, […]





