Ilaina fitandremana ny fihinana sakafo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Anisan’ny fotoana ahitana trangana fanapoizanana ara-tsakafo izao, hoy ny mpitsabo. Manoloana izany, tsy tsara ny mihinana sakafo be menaka toy ny « mayonnaise » ary ny sakafo lany daty isan-karazany. Jerena tsara mihitsy ny datin’ireny sakafo amidy eny an-tsena ireny vao hohanina. […]
Fiaraha-monina
Fankalazana ny fety: hisy orana tandrifin-drahona ny alina
Ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava, hahazo orana tandrifin-drahona avokoa ny takariva sy ny alina anio sy rahampitso, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mitsitokotoko ny orana ka mila miomana amin’ny fitaovam-piarovana hatrany ny tsirairay raha hamonjy fandaharam-potoana amin’ny alina fa tsy […]
Mpangataka eny amoron-dalana: tsy very anjara amin’ny Noely
Olana ara-piarahamonina avokoa no itovian’izy ireo. Misy ny nilaozan’ny vadiny, ny maty vady. Misy kosa ny manao ny fangatahana ho fanampiany ny vadiny miasa. Manodidina ny 5000Ar ny azon’izy ireo isan’andro, ho an’ny mpangataka ao amin’ny tonelina Ambohidahy. Renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany ny ankamaroan’ny mpangataka eo . “Eto mba mety […]
Noelin’ny kamboty: miandry fahagagana i Perline telo mianaka
Bevohoka telo volana i Ravaonasolo Marie Perlienne, no maty vady. Tsy misy mpiahy izy telo mianaka ka lasa mpatory an-dalana na 4’Mis. Fahaganana andrasany amin’ny Noely, hahita vola ahafahana mody an-tanindrazana sy ho eo anivon’ny fianakaviany. Mahonena ny mahita ny mpangataka, indrindra ny reniny mitrotro ny zanany, eny an-dalambe […]
Fiara nivadika: maty ny mpamily, olona 4 naratra
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’ain’olona teny amin’ny RN1 bis, 7 km tsy hidirana ao amin’ny fokontany Iorimbato, kaominina Beravina, ny alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo. Tra-doza tamin’izany ny fiara tsy mataho-dalana avy ny Maintirano saika hihazo an’i Tsiroamandidy. Maty teo no ho eo ny mpamily ny fiara. Naratra kosa […]