Entanina ireo olona mahita trangana herisetra mianjady amin’ny vehivavy eny anivon’ny fiarahamonina mba ho sahy hitoroka eny amin’ny tomponandraikitra ahafahana mandray ny fepetra. Nisongadina izany nandritra ny fanazavana nentin’ ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Razananaivo Rindra, omaly, tetsy Ankorondrano. Voafaritry ny lalàna ny fitazomana ny tsiambaratelon’ny […]
Fiaraha-monina
Fikorontanan-tsaina : mahafehy ny fandraisana an-tanana eny ifotony ny CSB
Araka ny tatitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny taona 2019, nahatratra 1 miliara ny olona tratran’ny fikorontan-tsaina ary ny 14% amin’ireo adolantsento avokoa. Antony mitarika amin’ny fahafatesana iray amin’ny tranga 100 maneran-tany ny famonoan-tena izay miseho mialoha ny faha -50 taonan’ilay olona. Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka […]
Lalam-piofanana vaovao : hatsangana ny toeram-panofanana miaraka amin’ny UE
Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa ho fampiofanana ny vehivavy ny dinika nihaonan’ ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina monina sy miasa eto Madagasikara, Isabelle Delattre, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, Rakotondrazafy Lalatiana. Tanjona ny hampidirana ny tovovavy sy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa ahafahany mahaleo tena. Tsapa fa […]
Vakinankaratra : nahazo fiara fitondrana marary
Ho fanohanana ny fametrahana ivontoerana ho an’ny vonjy taitra ho an’ny faritra Vakinankaratra, nanolotra fiara manokana fitondrana marary ny masoivohon’i Japon eto amintsika. Tafiditra amin’ny fandaharanasa fanampiana ny tetikasa eny ifotony izay mifototra amin’ny maha olona ny fampitaovana. Fiara efa nampiasaina tany Japon ireo fa nohavaozina tanteraka tany an-toerana ho […]
Banky iraisam-pirenena-Men : 180 tapitrisa dolara ho an’ny fampahaleovantena ny vehivavy
Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny vehivavy mahaleotena. Izany indrindra no anton’ny fanohanana azy ireo ka nanokanan’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 180 tapitrisa dolara amin’ireo tetikasam-pampandrosoana. Manohana ireo karazana tetikasa ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) ny banky iraisam-pirenena. Mitentina 180 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanatanterahana izany. Maro ireo tetikasa mikasika ny […]




