Mpivarotra hani-masaka miisa 40 teto Antananarivo nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny INTH (Ivon-toeram-pampianarana misahana ny fizahantany sy hotely) omaly. Mpivarotra teo anivon’ny tsenan’ny Mahamasina, Soamanatombo ary Zemaika izy ireo. Niompana amin’ny « securité alimentaire » ny fiofanana nomena azy ireo hoy ny tompon’andraikitra. Nojerena manokana ny fomba atao mba hialana amin’ny ahiahin’ny mpanjifa […]
Fiaraha-monina
Tetikasa sekoly telma : mpianatra 164 nisitraka izany teny Alasora
Notokanana ny fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny EPP Alasora, afak’omaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « sekoly telma » izany. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 164 eo anivon’ny sekoly. Niaina ny haratsian’ ny toeram-pampianarana ny mpianatra sy ny mpampianatra teo aloha, hoy ny talen-tsekoly, Nivoharisoa Marie Larissa. Anisan’izany ny tafo mitete, ny seza sy […]
Oniversiten’Antananarivo: misokatra ho an’ny olon-drehetra ny “American Corner”
Anisan’ny be mpampiasa indrindra ny fiteny Anglisy maneran-tany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny oniversiten’ antananarivo ny ivontoerana American Center, omaly. “Misokatra ho an’ny olon-drehetra tia sy mankafia teny Anglisy izany”, hoy ny talen’ny fampianarana teny Anglisy eny anivon’ny anjerimanontolo, Andrianarivelo Harilala. Tanjona ny hampiroboroboana ny teny anglisy sy hampahafantarana […]
Fanatsarana ny fampianarana nomerika : mpianatra 14 000 hahazo “connexion” maimaimpoana hakana lesona sy fizarana
Mila hafainganina ny fanaparitahana ny fampianarana nomerika eto Madagasikara. Tanjona ny fampandrosoana ny fanabeazana, araka ny nisongadina nandritra ny fivoriana momba ny fanatsarana ny fanabeazana tany New York, ny taona 2022. Hampitovina lenta ny mpianatra malagasy, hiara-hiasa mandritra ny dimy taona ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny orinasa Airtel ary ny […]
VINAN’IARIVO : olona 455 nizaha fahasalamana
Tafiditra ao anatin’ny vinan’Iarivo ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Isaky ny tapabolana, mikarakara hetsika ara-pahasalamana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mifandimby misitraka izany ireo fokontany eny anivon’ny boriboritany enina. Omaly, ny fokontany Anjanahary II O – Boriboritany faha-V no nanatanterahana izany. Naharitra efatra andro ny hetsika. Maro ny tolotra nomena ny […]