Faritra 10 (Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Diana, Fitovinany, Melaky, Menabe ary Sofia) no voakasiky ny orambe nanomboka ny 16 janoary teo, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. Roa ny olona tsy hita ka ny iray tao Toamasina II ary ny faharoa tao amin’ny distrikan’i Boriziny. Olona iray namoy […]
Fiaraha-monina
Voka-panadinana – CNtemad: tsy maintsy atao ny fampitahana ny naoty
Fomba fiasa vaovao no entina ao amin’ny CNtemad hisian’ny mangarahara amin’ny voka-panadinan’ny mpianatra. Tsy maintsy ampitahana ny naoty sao misy tsy itoviany ka mandiso zavatra betsaka. Fanapahan-kevitra vaovao noraisina ao amin’ny CNtemad ny tsy maintsy hampitahana ny naoty anatin’ ny taratasim-panadinana sy izay voarakitra ao amin’ny «relevée des notes» an’ny […]
Fiofanana Call Center : 200 ireo tanora hisitraka ny andiany voalohany
Misokatra ho an’ny tanora tsy ankanavaka manerana ny Nosy ny fiofanana omen’ny fanjakana mikasika ny Call Center izay asa miroborobo tanteraka eto Madagasikara. Mikasika ny fomba fitantanana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny antso an-tariby no hiompanan’ny fiofanana. 200 ireo tanora kendrena hisitraka izany fiofanana izany amin’ity andiany voalohany ity, araka […]
Rotsakorana: tsy afa-bela ny faritr’ i Diana sy Sofia
Hitohy ao anatin’ny efatra andro ny rotsakorana matevina any amin’ny faritr’i Diana sy Sofia, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Ankoatra ny sisan-drahona tamin’ilay oram-baratra dia matanjaka ihany koa ny talio sy ny Zone de convergence inter-tropicale (ZCIT) any amin’iny ilany avaratra andrefana iny. Mila mitandrina […]
Antananarivo Renivohitra : avotana anaty rano miandrona ny mponina
Andro aman’alina ny farimbon’asa atao eny amin’ny faritra iva amin’ny fanalana ny rano miandrona vokatry ny rotsakorana. Mifanome tanana ny herivelona rehetra manao izany. Teny Ilanivato sy Ampasika ary Andavamamba Ambilanibe indray ireo ekipa mpanadio lakandrano no niasa ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanala ny rano niandrona mampijaly ny mponina […]




