Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Rabenandrasana Théophil, omaly. Nohamafisiny ny fivoahan’ny lalàna vaovao mikasika ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Efa nivoaka omaly ny naoty manamafy izany. Arak’io lalàna io, halavaina ny fotoam-pianarana fanabeazana fototra. Ahemotra 6 taona izany raha toa ka 5 taona teo aloha. […]
Fiaraha-monina
Ben’ny Tanàna Antananarivo: nitsidika ny tsenan’ Andravoahangy
Mitohy ny fidinana eny anivon’ireo tsena eto an-dRenivohitra. Omaly, nitsidika ny tsenan’Andravoahangy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nojereny manokana ireo fotodrafitrasa sy ny fandrosoan’ny filaminana ary ny fahadiovan’ny tsena. Ankoatra izay, nitafa sy nihaino ny hetahetan’ny mpivarotra ihany koa ny tenany. Voaresaka tao ny mahakasika […]
Distrikan’i Manandriana : tokantrano sahirana 7000 misitraka ny tetikasa Asa Avotra Mirindra
Nanara-maso ny fizarana ny vola fiahiana ara-tsosialy Asa Avotra Mirindra, tany amin’ny faritr’Amoron’i Mania, distrikan’i Manandriana, kaominina Anjoman’Ankona, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian niaraka tamin’ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia, omaly. Nandritra izany no nandefasana ny vola andiany faharoa tamin’ny hetsika in’enina miantoana ho fanampiana […]
Zava-mahadomelona: roa lahy mpidoroka rongony voasambotra
Voasambotry ny polisy avy eo Atsimondrano ny roa lahy mpidoroka rongony tao amin’ny fokontany Ambohimanatrika, ny harivan’ny talata teo. Noho ny fitarainan’ny mponina nanao hetsika fidinana ifotony teny an-toerana izy ireo. Mitarika ireo tanora eo amin’ny manodidina izy mirahalahy ireto ka miafara amin’ny fanaovana asa ratsy izany. Tra-tehaka teo amin’ny […]
Asa fanaovan-gazety : ho avy indray ny karatra maha matihanina
Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fanaterana ireo antontan-taratasy ho an’ireo te hisitraka ny karatra maha matihanina eo amin’ny asa fanaovan-gazety, raha ny nambaran’ny mpitondra teny eo anivon’ny OJM Ambohidahy, omaly. Manomboka ny 9 febroary hatramin’ny 30 Marsa hoavy izao ny fanaterana izany eny anivon’ny trano foibe OJM, Ambohidahy. Maro ny […]