Tafika maoderina, tafika manana ny maha izy azy, reharehan’ny vahoaka ao aminy sady afaka manampy ny vahoaka amin’ireo ambana rehetra mety hitranga, hoy ny MFA, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin Tontosa teny Ampahibe, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny […]
Fiaraha-monina
Boeny, Sofia ary Diana : hahery vaika ny onjan-dranomasina
Nampitandrina amin’ny alalan’ny loko mavo ny mpamantatra ny toetry ny andro ho an’ny morontsiraka Boeny, Sofia ary Diana amin’ny fisian’ny rahom-baratra matanjaka. Any amin’ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan’ny tanjona Vilanandro (Besalampy) no misy izany rahom-baratra izany. Manakorontana ny toetry ny andro ny fisiany ary mahatonga ny oram-baratra mitsitokotoko […]
Boriborintany I sy III: nifarimbona nanadio ny mpiara-miasa
Ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana nanao fanadiovana faobe ny mpiasan’ny boriborintany voalohany sy fahatelo. Nodiovina ireo toerana manakaiky tsena, ny lalan’ny mpandeha an-tongotra… Nampahatsiahivin’ireo delege eo anivon’ny boriborintany, nandritra ny hetsika, fa manana andraikitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna avokoa ny rehetra, na ny mpampiasa lalana, na ny mpivarotra na ny mpiantsena, […]
Faritra Amoron’i Mania : fehezina ny aretina pesta, apetraka ny paikady
Nametraka paikady ny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania hamongorana ny aretina pesta. Nentanina amin’ny fahamailoana rehetra ny mponina mba tsy hiitaran’ny fahavoazana. Nidina tany amin’ny faritra Amoron’i Mania ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, Raharimamonjy Lalie, niaraka tamin’ny ekipany, ny herinandro teo. Nametraka ny drafitra maty paika hiadiana amin’ny valanaretina pesta […]
Orange Digital Center Champions : lasan’i Madagasikara ny laharana voalohany
Norombahin’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny mpianatry ny Mathématiques, Informatique et Statistique Appliquées (MISA), eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny «Digital Center Champions». Ekipa 15 avy amin’ny firenena maromaro no nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena natokana ho an’ny mpianatra ity. Vokatry ny fandresena azon’izy ireo, hisitraka fotodrafitrasa vaovao ho an’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo miaraka […]




