Fiaraha-monina

Fanazavan’ny Croua : fanoherana ny fanorenana tsy ara-dalàna no natao

Nitondra fanazavana ny tale lefitry ny CrouA, Ra­vonjison Tamby, omaly, teny Tsimbazaza, mikasika ny fanenjehana ny tale amin’ny fiarovana ny faritry ny oniversite. Notoriana ny mpitantana ny CrouA fa nolazaina fa nanao fanimbana fananan’olona. Nanamarika anefa izy ireo fa fanakanana ny fananganana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna mba tsy hiorina ao anatin’ny […]

Fiatrehana ny loza : miara-miasa ny CUA sy ny BNGRC

Nanatanteraka fanazaran-tena niaraka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny BNGRC, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely sy teny amin’ireo fo­kontany valo anivon’ny Bori­borintany voalohany sy faha-4. Fampiharana ny fanazaran-tena amin’ny fiatrehana ny loza ho an’ireo mpisehatra rehetra isan-tsokajiny na SIMEX « SIMulation EXerci­ce » no natao tamin’izany, hoy Andrianatoandro Sitraka […]

Distrikan’Ikalamavony: olona roa ahina ho matin’ny pesta

Mampiahiahy fa toy ny trangan’aretina pesta no nahafaty ireo olona roa ao Ikalamavony. Tsy mbola voaporofo anefa izany fa manohy ny fitiliana sy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Nisy olona roa namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina mampiahiahy tao amin’ny tanà­nan’Ambala­manantsara, fo­kon­tany Ivozo­na, kaominina Mangidy ao amin’ny distrikan’ Ikalamavo­ny, […]

Nilalao teo amoron-drano : ankizivavy iray lanin’ny voay

Tsy hita popoka, lanin’ny voay ny ankizivavy iray 14 taona, monina ao Vohilava, distrikan’i Farafangana, afakomaly hariva. Nilalao teo amoron-dranon’i Manampa­tra, kaominina Vohilava, distrikan’i Farafangana ireo an­kizivavy maromaro tamin’io fotoana io. Nampandre ny manodidina ireo namany ireo fa lanin’ny voay ilay ankizivavy ka tsy hita ny misy azy. Nanamarina ny […]

Vangaindrano : nodorana ireo rongony 22 kilao

Nodorana nanoloana ny biraon’ny sefo distrika tao Vangaindrano ireo rongony 22 kilao, omaly maraina. Tra­tran’ ny zandary tany anaty ala Agnandrembahy, fokontany Morondava, kaominina No­sifeno Midongy Atsimo, ny 11 desambra teo, ireo zava-ma­hadomelina ireo. Voarohirohy tamin’io ny lehilahy 20 taona iray nitondra gony roa feno rongony. Natolotra ny fitsarana izy […]