Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nahazo solosaina sy kojakoja manodidina izany avy amin’ny OIT ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hanatsara ny asan’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany. Tanjona ny hanarenana ny sekoly niharam-boina nandritra ny rivodoza farany teo. Nivadika nangatsiaka tampoka ny andro 3 andro izay. Betsaka ireo olona tsy mahazaka izany […]

karatra biometrika: tsy manaiky ny hanafoanana azy ny mpivarotra

Tsy manaiky ny naoty navoakan’ny PDS an’Antana­narivo, manafoana ny karatra biometrika, ireo mpivarotra mi­vondrona ao anatin’ny fikambanan’ny mpivarotra Ambodi­ni­sotry (FMA). «Tsy mety ny hanafoanana ny karatra biometrika satria lasa manala anay ao anatin’ny ara-dalàna ary mamerina anay any amin’ny gaboraraka izany”, hoy ny filohan’ny FMA, Rakotosami­manana Arthur, raha nitafa tamin’ny […]

Rivodoza Gamane: hipaka ao Sava, anio

Nahazo anarana Gamane, omaly, rehefa nahafeno fepetra ilay androratsy ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Efa « forte tempête tropicale » ny sokajin’io rivodoza io, omaly, araka ny fanazavan’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Mikisaka miadana mianavaratra andrefana izy ka mahafaka 5km isan’ora. Manangona hery any an-dranomasina hatrany ity rivodoza ity […]

Fanjarian-tsakafo eny ifotony: tombanana ny asa vita, hanatsarana ny paikady

Zaza latsaky ny 5 taona efatra amin’ny 10 no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, ho an’ny antontanisa nasionaly. Zaza enina amin’ny 100 kosa no voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary miovaova isaky ny faritra ny tarehimarika. «Any Androy, Atsimo Atsinanana, Mena­be no tena ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ». Io […]

Faritra Vakinankaratra : nojerena manokana ny marefo

Nifantoka tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny famangiana sy ny asa sosialy nataon’ny minisiteran’ny Mponina, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra tolo-tanana ho an’ny zokiolona, ny olona manana fahasembanana, fikambanam-behivavy, olona tena marefo ara-pivelomana, ary ny ankizy kamboty ny iraka notarihin’ny minisitra. Milina fanjairana no natolotra ho an’ny Centre de promotion socio-économique […]