Ny sira sy ny koba natokana ho an’ny zaza ihany aloha hatreto no sakafo notovonantsoa azo jifain’ny rehetra iadiana amin’ny tsy fahampiana singa mpamelona ilain’ny vatana. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Ofisim-pirenena ny orinasa mpamokatra sira notovonana ioda sy fluor. Tokony ho sira efa notovonantsoa no amidy eny amin’ny […]
Fiaraha-monina
FID sy polisim-pirenena : arovana ny mpiasa manatanteraka ny fiahiana sosialy
Zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny fanjakana malagasy sahanin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid) sy ny minisitera. Anisan’ ny voakasika amin’izany ny fandriampahalemana mialoha, mandritra sy aorian’ny asa atao eny ifotony. Misy ny tetikasa momba ny fiahiana ara-tsosialy atao any ambanivohitra sy eny amin’ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy ka sedra […]
CUA-Iscam : Kilasy 44 hianatra teny frantsay maimaim-poana
Natomboka, omaly, tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fisantarana ny fampianarana teny frantsay maimaim-poana, ivelan’ny ora fianarana. Natao ho an’ny kilasy fahadimy eny amin’ny EPP eto anivon’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izany. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny oniversite tsy miankina Iscam. Nosafidiana manokana ny teny frantsay […]
Olynah sy i Fehiziro: solontena malagasy any Kinshasa
Nanomboka ny 29 novambra lasa teo ary hifarana anio ny fihaonamben’ny tovovavy 100 avy amin‘ny firenena afrikanina ao Kinshasa. Mitondra ny feon’ireo tanora malagasy i Olynah sy i Fehiziro avy ao amin’ny tambajotra fiseraserana U-Report Madagascar. Samy tanora U-reporter izy roa vavy. Mandritra ny hateloana, niady hevitra momba ny tena […]
Profesora Robinson Annick: Virose ny aretina mahazo ny ankizy ankehitriny
Areti-mifindra mateti-pitranga amin’ny zazakely ny virose, izay azo avy amin’ny otrikaretina madinika antsoina hoe “virus”. Io aretina io no mirongatra ankehitriny, araka ny fanazavan’ny profesora Robinson Annick. “Miditra eo amin’ ny orona ary manafika ny taovam-pisefoana ny «virus», mahatonga ny aretina virose mamely ireo zaza sy ankizy amin’izao fotoana”, hoy […]