Fiaraha-monina

MESUPRES: nanome ordinatera ny onivesiten’Antananarivo

Nihaona teny Fiadanana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESupReS),  Dr Razafiharison Andriamanantena sy ny fianakaviamben’ny oniversiten’Antananarivo. Voasolo tena avokoa ny tomponandraikitra sy ny filankevitra siantifika notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Ravelomanana Mamy. Nanotrona koa ireo lehiben’ny toeram-pianarana sy ny lehiben’ny sampam-pianarana samihafa.  Nandritra ny fihaonana, nanaovana tsidi-dresaka […]

Ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida: hiara-hiasa amin’ny fiarahamonim-pirenena ny ONG Mad’Aids

Tsapa ho somary ambanin-javatra ny fitarihana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/Sida teto Madagasikara. Nanavao fomba fiasa, araka izany, ny ONG Mad’Aids, manomboka izao. Nanavao  ny  fomba  fiasa hanatsarana ny  fandraisana  an-tanana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/ Sida eto Madagasikara, ny ONG Mad’aids. Tambajotra tokana ivondronan’ny fikambanana 35, […]

Sambo lehibe fitsaboana Mercy Ships: hitsabo ny fandidiana rehetra amin’ny sarany maimaimpoana

Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina, afakomaly maraina, ny sambo lehibe fitsaboana antsoina hoe « Mercy Ships ». Handray an-tanana sy hitsabo maimaimpoana ny marary, mandritra ny roa taona hijanonany ao an-toerana izy io. Hifantoka amin’ny fandidiana amin’ny endriny maro samihafa. Toy ny karazan’ aretina fivontosana, katarakta, “hernie”, bingon-tongotra na tanana, sima […]

Fivarotana lasopy mandehandeha: misy ireo tsara kalitao sy ara-pahasalamana

Maro samihafa ireo mpivarotra hani-masaka hita eny rehetra eny. Tsy mifidy toerana intsony fa ahitana azy ireny avokoa rehefa toerana be olona. Mba ho fitsinjovana ny fahasalamana anefa, ilaina hatrany ny mifidy ny tsara kalitao. Nandritra ny enin-taona izay no niseharan’ity raim-pianakaviana ity teo amin’ny fivarotana lasopy. Dingana maro no […]