Vita ny fitetezana ireo distrika , amin’ny lalam-pirenena fahafito, nitondrana tolotra ara-pahasalamana (ivelan’ny fandidiana) ho an’ireo olona sima molotra na vaky lanilany notontosaina nandritra ny 10 andro miaraka amin’ny «Opération Smile» sy ny mpiray ombon’antoka tao anatin’ny « Opération Smile tour ». 160 ny olona nisitraka ny tolotra nentin’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny […]
Fiaraha-monina
Sady mianatra no miasa: hampiharina eto Madagasikara amin’ny sekoly teknika
Hanaovana andrana eto Madagasikara ny fampiarahana avy hatrany ny fianarana sy asa ho an’ny fampianarana teknika. Mametraka ny fototra ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany amin’izao fotoana izao. Hanaovana andrana hampiharina eto Madagasikara ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa avy hatrany ho an’ny fampianarana teknika. Tanjona ny hampahomby ny […]
Antonony ny kalitaon’ny rivotra : ho maina eto afovoan-tany
Nisy fivoarana tsara ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo vokatry ny rotsak’ orana tao anatin’ny andro maromaro nifanesy. Mbola avo roa na telo heny amin’ny fenitra farany ambony voalazan’ ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ihany ny fivangongoan’ny akora madinika mandoto ny rivotra iainana. “Antonony ny kalitaon’ny rivotra ho […]
Fanampiana ara-tsosialy: olona sahirana miisa 200 nisitraka sakafo
Miisa 200 ireo olona sahirana ara-pivelomana nisitraka sakafo masaka ny faran’ny herinandro teo. Hetsika nokarakarain’ny fikambanana manolo tanana natao tetsy amin’ ny Akany Fialofana Ambodin’ Isotry. Akany, hipetrahan’ireo olona tsy manan-kialofana sy mirenireny eto Antananarivo izy io, tantanan’ny Ministeran’ny mponina. Nozaraina «Riz cantonais» sy hena baolina izy ireo nandritra izany. […]
Oniversite FJKM Ravelojaona: Andiany Ilo, mpianatra 289 nahazo diplaoma
Manetriketrika ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana ka nahazo dilaoma tao amin’ny Oniversite FJKM Ravelojaona (Onifra) izay notanterahina teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Miisa 289 ireo mpianatra nisalotra ny andiany Ilo ka nahazo ny diplaoma Licence sy Master rehefa nianatra nandritra ny taona maro. Nitsinjara tamin’ ny lalam-piofanana samihafa […]




