Indraimbava

Mila mihenjana

  Aleo aloha mba hiresaka fanabeazana ny kilonga indray isika, anio. Niparitaka be tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mpianatra vao herotrerony manao firaisana ankalamanjana. Nanaparitaka izany hatramin’ny kaomandin’ny zandary avy amin’ny vondrom-paritra Antananarivo. Na ny mpanao gazety naka ny sary aza mbola nidonaka, mialoha ny sintona lakolosy. Miantefa amin’ny sokajin’olona maromaro […]

Miketrika mafy

  Mitohy ny iraka ataon’ny Filohan’ny Repoblika any ivelany, amin’izao fotoana izao. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny delegasionina tarihiny ahafahana mametraka ny politikam-pampandrosoana mivelatra amin’ny iraisam-pirenena. Iaraha-mahalala rahateo fa anatin’ny lohalaharana ho an’ny fitondrana malagasy ny diplaomasia. Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa sy loharanom-bola ho an’ny firenena, ankoatra ny […]

Manakaiky vahoaka

  Tao anatin’ny andro maromaro, nidina ifotony ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fotoana na tokony niresahana tamin’ny vahoaka malagasy. Nijery akaiky ny olana sy ny filan’ny mpiray tanindrazana. Manginy fotsiny ny fitokanany ny asa vita taorian’ny nahalany azy indray ho filoham-pirenena. Nahafahany nitafatafa sy nifanakalo hevitra sy tetikasa izany. Nanotrona […]

Maloto ny tanàna 

  Tsy laitra mihitsy isika eto Antananarivo ity. “Makôta” loatra, izay no azo hamehezana azy. Sady tsy tia madio ara-bakiteny, no voretra ara-tsaina ihany koa. Mahakivy ny mody alina, andaniny. Ataon’ny mponina fanariana tavimandry feno diky ny arabe. Tsy mampite hivoaka maraina, ankilany. Zary fanariam-pako sy fanaovan’ny olona maloto ny […]

Tsy maintsy mitandrina

  Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa. Isan’andro vaky no ahitana razana etsy sy eroa. Misy ny maty ho azy, maro ny misy mamono, manginy fotsiny ireo lasibatry ny lozam-pifamoivoizana. Tena tsy misy fotoana mampidina ambany ny tahan’ny olona maty. Raha vao manokatra ny tambajotran-tserasera izany moa dia saika […]