Fihavanana? Tsy misy teny vahiny tena mahadika azy. Iavahan’ny Malagasy, mahasaro-piaro… Hatraiza no tena fahatakarana sy fanajana ary fiainana azy? Indrindra amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao… Zava-dehibe ny nisian’ny fihavanana na filongoa nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana tamin’ny lehiben’ny mpanohitra ary ny kestoran’ny Antenimierampirenena teo aloha, tany Ambovombe, ny faran’ny herinandro […]
Indraimbava
“Manala azy”
Saika tenenina matetika etsy sy eroa amin’izao fanavaozana izao ny hoe fanovana toe-tsaina. Mby aiza? Na miova ho azy amin’izao ny toe-tsaina, ny fomba amam-panao tsy ahombiazana, ny fahazaran-dratsy… Mila mandini-tena ny tsirairay. Mby aiza koa izay? Fiteny amin’izao fotoana izao koa ny hoe “manala azy”. Tsy inona fa […]
Ampitomboina izay mampiombona
Andrasana fatratra ny fikaonandoham-pirenena amin’izao? Ho amin’ny fanovana na fanavoazana… Na izany aza, ny itsitokotokoan’ny loha, hono, samy manana ny heviny. Ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ary izay lava dinika no lava rariny. Aleo ny hevitra no ampiadiana hilaminana? Araka ilay fiteny hoe: ny hevitra no miady fa tsy ny […]
Mpitondra mahalala vahoaka
Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Tsy mety ho marin-toerana sy maharitra eo amin’ny toerany sy ny fahefany ny mpitondra, raha vao ratsy, toerana, amin’ny ny vahoaka. Araka izay hetahetam-bahoaka ve, ohatra, ny ataon’ny mpitondra? Na sanatria fiarovan-toerana fotsiny, na famalifaliana vahoaka, na […]
Toe-tsaina sy zava-misy
Mandela ny fotoana… Mby aiza ho aiza ny hoe fanavaozana? Ny vahoaka no mahatsapa izay iainany: efa misy fiovana sy fihavaozana? Eo ny tsy fandriampahalemana, manampy trotraka ny fahaverezana sy fahafatesana olona etsy sy eroa. Eo koa, ohatra, ny fiatrehana ny vidim-piainana. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa, ny ady […]




