Mandeha miandalana ny fanavaozana. Maromaro ny ezaka efa vita. Maro ny ranty mampiseho fa tena miasa ny mpitondra. Anisan’ny misongadina ny tontolon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny. Mahazo doka ihany koa ny fifehezana sy ny fanatsarana ny fiatrehana ny andavanandron’ny mponina na ny sosialim-bahoaka. Tsy latsa-danja ny mahakasika ny tontolon’ny asam-panjakana. […]
Indraimbava
Mila fitandremana
Mahoraka indray ny fanovana governemanta. Samy manao izay ho afany indray aloha ny mpanao ady sisika toerana. Manao ny fomba rehetra ahitana taratra ny maha izy azy avokoa ny mpanao politika. Nanome vahana azy ireo rahateo ny fanokafana varavarana nataon’ny filohan’ny Fanavaozana. Samy manao izay fomba ahafahany miditra an-tsehatra ny […]
Kibo mitsara tena
Nangatahin’ny filohan’ny Antenimierampirenena tamin’ny fanombohana ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo farany teo ny hanafainganan’ny fahefana mpanatanteraka ny fampidinana ny vidim-piainana. Aiza ho aiza? Anisan’ny notakina tamin’ny fidinana an-dalambe tamin’ny taon-dasa izay. Miara-dalana amin’izany ny amin’ny famoronana asa. Ny amin’izay vidim-piainana, saika fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy vidim-piaianana midina […]
Fadio ny kolikoly
Tsy diso toerana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, raha nanompana ny lahateniny, omaly, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, tamin’ ny ady hanoherana ny kolikoly. Anisan’ny sehatra iray ahazoana kiana mahakasika izany be indrindra ny mpitandro filaminana. Mifampitana amin’ny laharana alohaloha ihany ny maramara sy ny mpitsara ary […]
Fandresena mahagaga
Anisan’ny fety manamarika ny miaramila ny andron’ny fandresena, tanterahina any amin’ny Akademia Miaramilan’ Antsirabe, anio. Dingana manamarika ny fandraisana andraikitra goavana, ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Anisan’ny any an-toerana ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ka hitondran-dresaka ny mahakasika izay, fiainan’ny miaramila izay. Izy ireo rahateo no mitazona ny familiana ilay sambobe, […]





