Indraimbava

Kibo mitsara tena

Ny fitadiavana, hono, mahazaka maniraka? Ary ny vola fitady… Amin’izany, misy ny mahavatra manaotao foana amin’ny fandikan-dalàna, finoanoam-poana amin’ny fangalarana zaza manana toe-tena varira, ohatra. Tsy vitan’izany misy mahasahy sy mahavita misoloky amin’ny tambajotran-tserasera na finday. Ny mahavariana sy mahavalalanina, misy hatrany no tratra sy voafitaka ambony ihany amin’izany. Nahoana? […]

Aleo hifanatrehana

  Andrasana fatratra amin’izao ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena. Mby aiza? Na ny tetiandro fanatanterahana, izay fomba hanaovana azy, ny lohahevitra hikaonan-doha, izay ho mpandray anjara… Mila fanazavana amin’ny antsipiriany sy manontolo hisian’ny fifampitokisana. Lazaina izay atao, atao izay lazaina. Mba tsy hihemo-dava ka zary mampieritreritra sy mampiherikerika. Ny fikaonando­ham-pirenena no hiantoka […]

Ady fiady

  Mahabe resaka sy adihevitra ny sasany amin’izao ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa tsy araka ny lalàmpanorenana ny lalàna momba ny politika amin’ny fampiasana ny teny eto Madagasikara. Mbola ady fiady… Raha ny lalàmpanorenana, ny teny malagasy no tenim-pirenena. Nefa amin’izao, tsy azo ampiasaina amin’ny raharaham-panjakana: […]

Mahantra, hono…

  Anisan’ny firenena faran’izay mahantra, hono, i Mada­gasikara.Na maneran-tany io, na aty Afrika, na aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Samy milaza an’izay na ny vahiny; eny, na ny teratany eto an-toerana aza. Ndeha hatao hoe: hono, fa raha ny marina: firenena manan-karembevava i Madagasikara, fa ny vahoaka ao […]

Sao diso fahavalo

  Raha misy tokantrano iray tsy mifankahazo; eny, na miady aza: voatery mifandamina sy manambatra hery, raha vao misy vahiny miditra. Na hanao soa izany, na sanatria hitondra loza: tsy ananan-kavana ny an’ny tena. Na ankohonana io, na fananana, na fomba amam-pitsi­pika… Manoatra lavitra noho izany ny fifandraisana sy ny […]