Indraimbava

Aza disoina ny tantara

  Mahoraka ny tanàna ao Sofia. Mankalaza ny fetin’ny Repoblika Ramalagasy. Tsy mbola nisy tahaka izao an­gamba hatrizay nilazana fa mahaleo tena i Madagasi­kara. Tsy fety toy ny fety rehetra moa fa mifanojo amin’ ny nandraisan’izy dimy lahy fahefana amin’izao fotoan’ny fanavaozana izao. Tena hoe andro manan-tantara tokoa raha ny […]

Be tsy andraofana

  Mirongatra izaitsizy amin’izao ny karazana fikambanana na vovonana politika hoe manohana ny fanorenana ifotony, fanavaozana, fanovana… Ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny? Na samy te ho lohany… Misy aza ny mitompo teny fantatra fa izy no manana ny marina ny amin’izay mety sy mahasoa ary mampandroso ny firenena. […]

Diavolan-kolava

Nivoaka amin’ny fahanginany ny vadin’ny henjana ao Maorisy. Nilaza izy fa lasibatry ny kajikajy politika Ramose.  Raha zohina tokoa ny raharaha, misy tokoa ny mampiahiahy. Indrindra fa ny olona akaiky sy ny niara-nilomano ihany no nandrendrika ny sambo. Tsy ho azon’ny saina veroka mihitsy hoe i Maorisy no hanan-kevitra tampoka […]

Tandremo ny fandrika!

Misy afo miotrika hafahafa izany eto amin’ny tanàna. Mila fahamailoana sy fitandremana lehibe amin’ny zavatra rehetra hatao. Mivadika tsikelikely eny koa ny rasa, hany ka mampametra-panontaniana. Aiza teto ambonin’ ny tany ny hoe mitokona fa tratra nangalatra mijery tahirin-kevitra mandritra ny fanadinana. Potehina ny oniversité, midina an-dalambe sy mitora-bato mpitandro […]

Mila mailo

Vao mahoraka kely ny fanovana governemanta dia mipoitra avokoa ny akama sy ny tsy akama. Ny namana manasoasoa. Tsy misy tomika ny olona tohanana. Tena “favori” avokoa ny mpitondra, nomen-tseza. Miakatra tampoka ny mpanao ranty sy ny klioban’ny mpankafy. Hatramin’ny fampiserana haingon’ny mpiasa, efa vaovao goavambe ho an’ny sasany. Heverina […]