Andro sisa dia hilanona ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Hiara-hankalaza ny vanin’andro niverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’i Madagasikara. Efa serintseriny sy somebiseby aoka izany ny mpikarakara, ankehitriny. Mandeha ny fizarana ny fanasana. Asa, iza avy no nahazo ny anjarany? Iza ihany koa no hanoina ny antso? Iaraha-mahalala fa efa vaky sy tsy misy […]
Indraimbava
Mitady ny very
Olana iray goavana lalovan’ny firenena ankehitriny ny fampiharana ny lalàna. Zary ady hevitra sy raisina amin’izay tiana handraisana azy sisa ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mivoy izay tiany hovoizina sy mahametimety azy ny tsirairay. Ny tena zava-doza, ireo heverina ho manam-pahaizana momba ny lalàna sy ireo […]
Mihaingo ambony tsikoko !
Amin’ny ankapobeny, nanakoako ery ilay fanokafana indray ilay Rovan’i Madagasikara. Nanohina kely ny fo ny fahitana fa tafarina ilay izy 28 taona aty aoriana. Mirehareha tsy misy toa azy ny fitondram-panjakana fa nahatanteraka Velirano iray hafa. Iza tokoa moa no tsy nahare fa fanamby nataon’ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana ny […]
Misy fotsifotsy saina
63 taona no niverenan’ny Fahaleovantena. Hatramin’izao, misy hatrany ny miroaroa saina: mila manangan-tsaina ve, hono, ny tena sa tsia? Misy aza ny manao anditra na mifanditra amin’izany. Nahoana? Ny itsitokotoan’ny loha, samy manana ny heviny. Ny tanàna koa tsy ilaozan’adala? Na izany aza, tsotra ny resaka tsy azo ifanerena: izay […]
Mampanahy ny korontana
Tetezamiitatra e ! Fifidianana e ! Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny vahoaka variana miady amin’ny fiainana, ry mpanao politika mitady ny fomba hahazoana fahefana misimisy kokoa. Ny mpanohitra sasany, mitady hirika mba hidirana anaty fitondrana, ny efa nahazo toerana sasany te hifikitra. Tsy mahagaga raha samy ahitana vondrona […]