Mihazakazaka ny fametrahana olona sy ny fitadiavana toerana any amin’ny departemanta isan-karazany, taorian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Mirodorodo, manao be fiavy any amin’ny biraom-panjakana ny manam-pahefana avy any amin’ny faritra, manao ady sisika ny toerana. Niaraha-nahalala fa manomboka rahateo ny fanovana olona. Maro amin’ny solombavambahoaka no manararaotra faramparany ny […]
Indraimbava
Fanadiovan-tsaina
Somary nitsahatra kely ny orana. Manomboka miakatra ny hafanana. Mbola miparitaka ny fako na efa manao izay ho afany aza ny mpanadio. Angaredona niady amin’ny loto no azo nilazana azy. Tena nanao rodobe hatramin’ny vazaha aza nanome kamiaobe Manomboka hita fa misinda tsikelikely ny tendrombohitra fako, nameno ny tanàna. […]
Mandry tsy lavo loha
Migadona indray ity ny andro malaza ho an’ny mpanao politika sy ny mpitady seza. Hiditra amin’ny filan-kevitry ny minisitra faharoa amin’ity taona ity ny governemanta. Toy ny mahazatra, misy ny fifampizarana avy amin’ny mpikambana sy ny Praiminisitra ary ny Filohan’ny Repoblika. Tatitra momba izay herinandro voalohany nitsapana kianja izay. […]
Mba ho laharam-pahamehana
Mampalahelo fa nahalavoana indray ny mpitandro filaminana omaly, tany amin’ny faritra Betsiboka. Manamboninahitra iray vao erotrerony no lavon’ny balan’ny jiolahy, nandritra ny fanarahan-dia mba ho famerenana ny fananan’ny lasibatra amin’ny tompony. Marina, mety tsy ampahafirin’ny olona lasibatra sy lavo am-perinasa izy. Tsy sanatrian’ny vava hanararao-paty ka hisintona lakolosy. Ny […]
Asa mahamarin-toerana
Fe-potoam-piasana vaovao, governemanta vaovao… Mitaky fomba fiasa vaovao izany, na farafaharatsiny ahay, manatsara sy manafaingana kokoa izay tsara vita teo aloha. Na ahoana na ahoana, be mandrakariva izay tsy vita sy miandry mitaha amin’izay kely natomboka. Sanatria, efa zatra ny fanamby sy fampanantenana tsy tanteraka tamin’ny fitondrana nifandimby ny […]




