Anisan’ny andry telo amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny fampandrosoana ny maha olona. Aiza ho aiza? Marolafy ny olan’ny vahoaka ifotony, na an-drenivohitra na ambanivohitra. Amin’ny ankapobeny, saika ny fahantrana lalina sy maharitra ary manenika ny maro no antony fototra? Na tsy fandriampahalemana io, ohatra, na tsy fitomboan’ny famokarana […]
Indraimbava
Tsy vonjy tavanandro
Anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka ny kandidà isanisany, ankehitriny. Mafana ery ny « ambiansy », eny an-kianja. Carnaval sy fetibe isan’andro indray aloha no iarahan’ny vahoaka sy ny olona ho finidiny. Hadinodino anatin’ny fotoana fohy Rafahantrana sy Rafahasahiranana. Maresaka ny tanàna amin’ny fitsinjahana ankamalanjana. Samy manovokovoka rahateo ny mpisehatra rehetra. Ny biletà tokana […]
Misolo vaika ny ankalana
Handeha fampanoavana anio ny mahakasika ireo olona voalaza fa nanondrana biby voarara any ivelany. Mihazakazaka ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Efa nisy ny Malagasy eto an-toerana, izay voalaza fa mpiray tsikombakomba,voatazona nandritra ny andro maromaro eny amin’ny trano figiazan’ny mpanao famotorana. Raha ny tsiliantsofina mandeha anefa, mbola ny trondro […]
Akaiky vilany feno arina
Mahoraka ary mbola arahin’ny mpanara-baovao akaiky ny mahakasika ny fanondranana antsokosoko ireo varika sy sokatra tany Thaïlande. Nanampy trotraka ny fahatrarana ireo mpanao trafika teny Ivato, afakomaly alina. Nihazakazaka izaitsizy ny fanjakana malagasy nandray andraikitra. Efa nisy ny olona voalaza fa voasambotra. Tsara ny ezaka saingy dia dokotera aorian’ny […]
Hafampana ny tanàna
Miavaka ity herinandro hitsahintsika ity. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimiera roa tonta. Hazakazaka arahin-tosika tsy misy ohatr’izany. Lanonam-panokafana, fihaonan’ny birao maharitra, fandaniana ny fandaharam-potoana. Iarahana manatanteraka anio avokoa izany. Hita taratra eto tokoa ny maha lamasinina haingam-pandeha ilay fitondrana ny raharaham-panjakana. Mifanindran-dalana amin’izany, hanomboka ny fampielezan-kevitra […]





