Hatramin’izao, resabe etsy sy eroa hatrany ny amin’ny sosialim-bahoaka na ny fiainam-bahoaka ifotony: ahoana ihany, aiza… Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny karazana fanampina sy tosika. Na izany aza, tsy hita be ihany ho an’ny sasany tsy mety afa-po? Na tsy laharam-pahamehana, na tsy tena imasoana, na tsy zava-dehibe… […]
Indraimbava
Tsy marefo izany…
Teboka iray lehibe no andeha horesahina anio. Ny mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny olona manana fahasembana rahateo isika anio. Hatramin’izao, mbola iharan’ny fanambaniana sy ny fanilikilihana hatrany izy ireny na eny anivon’ny fianakaviana, na eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy nisy nisafidy ny hanana toe-batana […]
Entan-jaray mora zaka !
Vita soa aman-tsara ny fitokanan’ny ivontoerana mpamatsy herinaratra eny Farahantsana, Mahitsy. Nisento kely ny mponina Antananarivo, nihevitra fa hitombo ny famatsiana ka hihena ny delestazy. Tena efa tafahoatra ary anisan’ny teboka mainty sy loza mitatao eo ambony lohan’ny fitondrana, ankehitriny ny resaka famatsiana andaniny, ary vidin’ny jiro sy rano ankilany. […]
Voalohan-karena
Efa tena mivadika ny tany! Aiza ka volana novambra anaty fahavaratra no mampirongatra ny aretina gripa mahery miampy ny Covid-19. Mipetraka foana ny fanontaniana isaky ny mahita olona mitangorongorona: fa misy inona ao? Hay moa, toeram-pizahana fahasalamana feno olona milahatra, mitondra marary. Mahonena mahita ireo zazakely mitolona amin’ny aretin-tratra, kanefa […]
Varatra be !
Nirefodrefotra toy ny varatra nanimba ireo milin’ny orinasa Jirama, ny vaovao nanomboka afakomaly momba ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity. Nihazakazaka izaitsizy ny fipoahan’ny raharaha manodidina ny fandrobana sy fanaovana tantely afa-drakotra azy. Inona tampoka teo aza no nahatonga izany ? hoy ny maro, indrindra ny mpanaraka ny tambajotran-tserasera. Tsy misy […]




