Mihozongozona ny fahefam-panjakana, tarihin’ny filoha Rajoelina Andry. Nandamoaka ny fitsipaham-pitokisana, nikasana handravana ny governemanta. Mivadika anefa ny rasa, ny toerana misy ny tompon-trano ao Iavoloha mihitsy izao no tandindonin-doza. Mamay ny toe-draharaha politika. Ho kila forehitra eo izay tsy mahay milalao afo. Mahoraka hatramin’ny fotoana nanoratana ny filazana fa mikiry […]
Indraimbava
Samy tomponandraikitra
Rava maina indray ny fitsipaham-pitokisana saika hataon’ny solombavambahoaka ny governemanta, izay tokony hatao anio ny fandaniana azy ampahibemaso. Voalaza fa tsy nanaraka ny fenitra sy ny lalàna manankery ilay antontan-taratasy ka tsy mitombina. Mazava be, mitsotsotra sy afaka mandamindamin-tsaina ny praiminisitra sy ny ekipany. Afaka manohy ny asany am-pitoniana koa […]
Nijabaka
Tafapetraka soa aman-tsara ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipahan’ny solombavambahoaka ny fitokisana ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tapitra rahampitso rahateo ny fe-potoana, tsy maintsy handefasana izany anaty fifidianana ampahibemaso azon’ny besinimaro hatrehana, ao Tsimbazaza, araka ny voatondro amin’ny Lalàmpanorenana malagasy. Mihazakazaka ny raharaha, tsy nampoizina ny zava-niseho tao anatin’ny 48 […]
Mila fiaraha-mientana !
Resabe tato anatin’ny andro vitsy ny fiparitahan’ny sary eny amin’ny tambajotran-tserasera, mahakasika ny mpanakanto mampirantiranty fitombenana sy manao fihetsika « mamoafady ». Maro ny tafintohina, saingy betsaka ihany koa ny niaro ireny mpanakanto ireny. Andaniny, misy ny milaza fa mandala ny soatoavina sy ny hasina maha Malagasy ka manankiana tsotra izao ireo […]
Mikatso ny lamasinina ?
Vaovao iray niteraka resabe tetsy sy teroa, ny tsy fandraisan’ anjaran’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisan’ny Nosy ho an’ny tanora, izay ato any Maorisy, nanomboka ny alahady lasa teo. Zava-dehibe manamarika ny maha firenena manana ny maha izy azy anefa ny fandefasana delegasiona tany an-toerana. Mifanontany tena ny rehetra amin’ny antony […]




