Mbola manjombona ny andro, maizina ny lanitra. Mihamiakatra ny renirano. Ho an’Antananarivo, tsy hifampitsinjova-mandeha ny lalana amin’ny hatevin’ny rotsak’orana. Manahirana ny fivezivezena amin’ny sakeli-tanàna maro noho ny ranobe, manarona ireo lavaka eto ampovoan-tanàna. Betsaka ny fiara mihitsoka na maty am-pandehanana. Voafandrika anaty ranom-potaka na dibo-drano hatrany anaty maotera. Mikaikaika ny […]
Indraimbava
Tsy very fanantenana
Aiza izay fanovana ny mpikambana amin’ny governemanta ? Inona indray aza ity ataon-dRatsirahonana ity? Ahoana koa itony fiaingana masiakan’ingahy Siteny itony ? Santionan’ny fanontaniana mipetrapetraka eny rehetra eny izany. Indrindra fa amin’ny mpanara-baovao politika. Fanina sy sanganehana ny rehetra manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Toa mandroso mihemotra, tsy hita be ihany ny andraisana azy. […]
Dieny izao…
Na inona na inona mitranga sy atao amin’izao, voatsaran’ny sasany ambony ho misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa. Tandindomin’ny fifidianana? Velona ny hazakazaka amin’izany. Miseho lany ho azy etsy sy eroa ny fiteny amam-pihetsika feno fahitsihitsiana, fihantsiana, fanaratsiana Misy manao izay hankahalan’ny olona izay heveriny ho mpifaninana na […]
Ho « teteza-miitatra » indray !
Lasa iny ny rivodoza. Nivoaka tsikelikely an’i Madasikara i Cheneso. Manomboka lefy ny heriny. Maro ny takaitra navelany, noho ny ranobe niakatra. Nihanitombo ny lalana simba sy ny tetezana tapaka na mihozongozona. Miandry ny fandraisana andraikitra maika avy amin’ny manam-pahefana ny fanarenana. Tsy indray mandeha rahateo ny rivodoza mandalo eto […]
Samia tsy ho tiatia kely !
Miaina anaty voina tanteraka ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy iny, nanomboka omaly. Tsy mbola afa-bela amin’ny rambon’ny rivodoza Cheneso. Mitohy ny ora-mikija, miakatra izaitsizy ny renirano marobe any an-toerana. « Dobo » araka ny fitenin’ny mponina any an-toerana ny tanàna, izany hoe, tratran’ny tondra-drano. Betsaka ny fianakaviana mihitsoka an-trano, maro […]





