Hisokatra ny sabotsy 19 septambra 2026 izao ny taom-piantsana ho an’ny Faribolana Sandratra. Tahaka ny nahazatra hatramin’izay, ny Cercle Germano-Malagasy (CGM/GZ) eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina no hanatanterahina ity antsa tononkalo santatra ity. Tranga anisan’ny hampiavaka ity antsa ity ny fandraisana anjaran’ireo dimy mirahalahy izay sady mpanoratra no mpilalao sarimihetsika. Antony, rahateo, […]
kolon-tsaina
Fitsaboana nentim-paharazana aty Afrika : Mbola mila fitaizana sy fanabeazana ny Malagasy
Aty Afrika, iray amin’ireo firenena mbola mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana ny Malagasy. Lova rahateo io ho azy. Na izany aza, noho ny zava-nisy, mbola mila fitaizana sy fanabeazana ny Malagasy. Nomarihina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana afrikanina. Raha ny voarakitry ny tantara, iray amin’ireo firenena tsy nisaraka […]
Tarika Rebika: Handahatra hira 70 mahery!
Tarika anisan’ny manana mpamoron-kira maro ny Rebika. Manahirana azy ireo hatrany ny fisafidianana izay hira halahatra, indrindra rehefa fampisehoana goavana. “Ho lava dia lava ny fampisehoana, satria hira tsy latsaky ny 70 no hataonay, izany aza ahina misy mbola andrasan’ny mpankafy tsy voalahatra ao”, hoy ny nambaran’i Nix, omaly. Mandritra […]
“Fa tsarotsaroako…” : Hahatsiaro ireo namana efa lasa ny Feo Gasy
Feno fihetseham-po ny fitantaran’i Erick Manana… “Teny ambony sehatra no nirafitra ny tarika, tany Bordeaux. Fa avy dia nifankahazo am-panahy ka tonga amin’izao 30 aona izao”, hoy ny ampahany tamin’ny fitantarany ny tantaran’ny tarika Feo Gasy, nandritra ny fihaonana tamin’y mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny QG Ankorondrano. Tafavory eto Antananarivo […]
TARATRY ny KANTO
Sehatra Ba gasy volana septambra. Hisesy ny hetsika ho fanandratana ny kanto. Ny alarobia 2 septambra izao, raikitra ny famerenan-kira miaraka amin’ny «Guide piano» Tsiadana. Zoma 4 septambra, hiroso avy hatrany amin’ny fandraisam-peo ao amin’ny Studio Maxon, eny Analamahitsy. Ny sabotsy 5 septambra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka […]




