kolon-tsaina

Slang Freedom250 : Amin’ny teny anglisy ny fifaninanana

Mifanindry an-dalana amin’ny “Festival Madagaslam 2026”, hotanterahina ny 24 hatramin’ny 28 novambra izao, eto Antananarivo, ny famaranana ny “Slang Freedom250”. Fifaninanana nasionaly eo amin’ny Poetry Slam, karakarain’ny Madagaslam. Amin’ny teny anglisy ny andiany voalohany amin’ny “Slang Fre­edom250”, izay sady tafiditra amin’ny faha-250 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia. “Efa nisy tamin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Tonga tetsy Ivato, omaly, ireo delegasionina malagasy ny ekipa nasionaly Barea Ladies, izay avy niatrika ny dingana faharoa, fifanintsanana lalao olympika Los Angeles 2028, izay natao tany Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa nahintsan’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo, ny ekipa nasionaly malagasy. Araka ny fikarohana natao omaly, mbola […]

Ankizy milalao : Hifarana rahampitso ny andiany fahatelo

Hotontosaina etsy Anala­kely, rahampitso, ny famaranana ny fifaninanana “Ankizy milalao”, andiany fahatelo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny sekoly baolina kitra, Analakely Foot­ball Academy (AFA) sady mpikarakara, omaly, hifandona eo amin’ny lalao famaranan’ny sokajy zandriny, U8, ny Aje­saia sy ny Varatra FC. Hatao amin’io fotoana io koa ny ma­nasa-dalan’ny […]

Andrarezin’ny hira malagasy : Omem-boninahitra i Fanovona Jean Gabin (Vaovy)

Fanovona Jean Gabin (Vaovy), mpanakanto andrarezina nitondra avo ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Na­morona ny tarika Vaovy izay nanandratra sy nivoy ny beko. Anisan’ny sanganasa nahafantarana an’i Gabin Vaovy ny “Salakao”. Ankoatra ny maha mpanakanto azy, niady mafy ny tokony hitadiavana vahaolana maharitra ny amin’ny tsy fisian’ny rano any […]

Rolf-35 taona niseharana: Homarihina amin’ny “Omaly, anio, rahampitso”

Tsy handalo fotsiny ny fankalazana ny faha-35 taona niseharan’i Rolf teo amin’ny mozika sy zavakanto. Hisy ny hetsika sy seho hatao ny 17 oktobra izao, eny amin’ny Ivo­kolo Analakely. Mitondra ny lohateny “Omaly, anio, rahampitso” ny seho, hitantarana an-kira ny lalana nodia­vin’i Rolf nandritra izay 35 taona izay. Hohiraina avokoa […]