kolon-tsaina

“Red Island Bike Fest” : Ho an’ny mpankafy rock sy môtô

Hiditra amin’ny andiany faha-5 ny “Red Island Bike Fest”. Hetsika hiompana manokana ho an’ny tontolon’ny mozika rock sy metaly, izay miara-dalana amin’ny karazana môtô. Hotontosaina ny 17 sy 18 oktobra izao izany, eny amin’ny Canal Olympya taloha, eny Andohatapenaka. “Hampiarahina amina toerana iray izay mahakasika ireo sehatra ireo. Endri-kolontsaina iray […]

Herinandron’ny Havàtsa-Upem : Hiavaka ny « Alarobia miverina »

Efa zary mitoetra ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny tontolon’ny soratra sy ny vakiboky ny hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Ho an’ity taona 2026 ity, hiavaka ireo ho hita mandritra ny « Alarobia miverina ». Ny 27 oktobra ka hatramin’ny 31 oktobra izao. Hotanterahina ao amin’­ ny efitrano Dox, Tranom­bokim-pirenena Anosy, ilay hetsika lehibe fanao isan-taona, « Herinandron’ny […]

TARATRY ny KANTO

Nanao fialantsiny ampahibemaso i Ceis. Taorian’ny zava-nitranga ny alahady teo, nandritra ny fampisehoana nataony tany Antsirabe, izay nanipazany mpijery iray avy eny ambony sehatra no antony. Maro ny fanehoan-kevitra satria niparitak ilay “video”. Ny 90 isan-jaton’izany, tsy nisy nanome rariny ny fihetsika na­taon’ity mpanakanto ity avokoa. Taorian’ny fananarana natao azy, […]

Fanafanana lanonana : Feno 35 taona ny Orchestre PAP’S

Rasoloarison Gilbert Anatole Claude Martial, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana “Papa”, na “Ndriana Pap’s” (nodimandry 5 taona lasa). Izy no angady nananana sy vy nahitana ny Or­chestre PAP’S, fantatra eo amin’ny fanafanana lanonana sy ny fikarakarana rehetra ma­nodidina izany. Homarihina amin’ny hetsika marolafy ny 35 taona nijoroan’ity « orchestre » ity sy […]

EPP Philibert Tsiranana : Natao Mozea ny efitrano lehibe 

Notokanana ny efitrano lehibe ao amin’ny EPP Philibert Tsiranana, izay natao Mozea nanomboka omaly. Ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël no nitokana izany, niaraka tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, tany Anjiamangirana Antsohihy. Vako-pirenena ny EPP Philibert Tsiranana ka ilaina fikojakojana sy fiarovana, araka ny nambaran’ny minisitry ny […]