“Tsy misy idirany amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ny fanaovana sorona olombelona fa omby na akoho amam-borona, toy ny gisa, gana no fanao, raha misy ny ala faditra”, hoy Andriandrainarivo Josephin, filohan’ny ANTM, raha nanontaniana tetsy Anosy, omaly. “Olona ihany no alana faditra, izany hoe, ny vatan’olombelona no avotana raha misy zavatra mahazo […]
kolon-tsaina
« Festival Tria Tria »: Manoka-dalana ho an’ny namany i Big Mj
« Allô antsika handeha Antalaha », hoy ny teny filamatry ny hetsika. Hisokatra anio, ka tsy hifarana raha tsy ny 31 aogositra izao, ny « Festival Tria Tria », any Antalaha. Toy ny isan-taona, manome sehatra ireo mpanakanto zanak’Antalaha sy ny Faritra Sava, mitovy aminy, i Big Mj, izay tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana. Niantso […]
« Live Stage », andiany fahatelo : Rija Ramanantoanina sy ny Bandy Baraka Big Bang
Mpiangaly mozika 25, miampy ny mpihira. Azo tanterahina tsara na anaty efitrano aza izany. Fanamby fahatelon’ny andian-tseho « Live Stage » ity. Izay efa nahita dia afaka mijoro vavolombelona. Seho tena mampitsangambolo ireo tena mpankafy mozika ny fiarahana amina Big Band. Iray tamin’ireny ny efa notontosain’i Rija Ramanantoanina sy ny Bandy Baraka […]
« Sarimiantsa » : Hiantsa tononkalo ny mpilalao sarimihetsika
Hafa noho ireo efa hita hatramin’izay. Fiantsana tononkalo karakarain’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM-GZ) Analakely, ny tolakandron’ny 19 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora. « Sarimiantsa », hianohana antsa tononkalo 35 miaraka amin’i Mina Ilarion, Nofy, Christophe Rabearimanana, Anjara Tsy Ahy ary i Haintso Nirina. « Anisan’ny hampiavaka ny Sarimiantsa ny fomba […]
« Tsy tontan’ny ela »: Mirakitra tantara ho an’i Samoëla ao Antsahamanitra
Mitohy ny fankalazana ny 30 taona an-tsehatra. Rariny loatra raha handalo indray ao Antsahamanitra i Samoëla, hanohy ny tantara. «Tsy tontan’ny ela ». Mahalaza be izay lohateny nosafidiana izay. Ho an’ilay fampisehoana hotontosain’i Samoëla etsy Antsahamanitra, ny alahady 30 aogositra izao io, manomboka amin’ny 3 ora. « Impito ny tao Antsahamanitra. Fanimbalony […]




