Mampiavaka an’Antananinarenina sy ny manodidina ny kilalaon-jiro rehefa vanim-potoan’ny Noely sy faran’ny taona. Niampy indray ny fialamboly eto an-drenivohitra, rehefa fantatra fa hisokatra ho an’ny besinimaro ny Lapam-panjakana ao Ambohitsorohitra, nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 7 janoary. Mahazo mitsidika ny lapa izay rehetra liana, isan’andro manomboka amin’ny […]
kolon-tsaina
Manomboka mametraka ny anarany: hanabe sy hanala voly ny Groupe « V@A »
Na vao haingana aza no nijoroany. Mahatsiaro manana adidy eo amin’ny fiarahamonina ny tanora telo mirahalahy noho ny fananan’izy ireo talenta amin’ny zavakanto. Tamin’ity taona 2023 ity no nitsangana ny Groupe « V@A ». « Vary amin’Anana » Ahitana an’i Rass, Proof ary i Lucas TAN. Telo mirahalahy samy efa […]
« 74ème Festival du Film de Berlin »: Voafantina ny sarimihetsik’ i Luck Razanajaona
Sarimihetsika fohy miisa 7 sy sarimihetsika lava miisa 6 no voafantina hiatrika ny « 74ème Festival international du film de Berlin ». Ny 15 hatramin’ny 25 febroary 2023, any Berlin, no hanatanterahina ity hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ity. Anisan’ny voafantina ny “Disco Afrika, “A Malagasy” notontosain’i Luck Razanajaona. Taorian’ny fandraisan’anjara […]
mPARIAKA Boky : namoaka vokatra vaovao
Nivoaka ny alarobia lasa teo ny boky “Mais où vont-ils tous?”, nosoratan’i Dominique Ranaivoson. Razanadriaka Lalao Elina no nandika azy, nanao ny sary kosa i Doda. Ny Mpariaka boky kosa no niandraikitra ny fanontana. Boky ahitana tantaran-tsary, mampahafantatra sy maneho ny zava-misy iainana eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny […]
hira anaty sarimiaina: hoentina an-tsehatra ny Wesing Disney
Fetin’ny Krismasy mira fetin’ny ankizy. Fetin-tsekoly koa matetika, hanehoan’ireo mpianatra ny talentany. Tsy hidify amin’izany fanao izany ireo mpianatry ny Iarivo Art & music Academy, etsy Andravoahangy Ambony. Amin’ny maha sekoly fianarana mozika azy anefa, hiavaka noho ny sekoly rehetra ny fetin’ny mpianatra. Haka endrika fampisehoana goavana izany, izay hotontosaina […]