Nisy hiran’ny tarika Lota iray, niarahan’i Fara Gloum sy i Tselonina namerina. Tarika nisy an’Ingahibe, niarahany tamin’i Parany sy i Yves tamin’izany fotoana izy io. Maro ireo tsy nahalala ilay hira, saingy kosa nankafy ny “video”. Santionan’ny fampiaraham-peo izay hataon’i Fara Gloum sy i Tselonina anio, eny amin’ny Brothers Andraharo, […]
kolon-tsaina
Tarika Iraimbilanja: mitohy ny fanomezana fahafahampo ny mpankafy
Mbola velona sy miaina tsara ny tarika Iraimbilanja, ary manaraka ny fandrosoana sy ny fivoarana, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny mozika. Tsy very fa voatazona hatrany ny maha izy ny tarika sy ny nahafantarana azy hatramin’izay. Hanatanteraka seho eny amin’ny Kudeta Anosy, ny 23 desambra 2023, ny tarika Iraimbilanja. […]
« Tour’nao »: hiditra amin’ny dingan’ny famaranana
Tanterahina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny seho iarahana amin’ny Madagaslam, ao anatin’ny « Zoma finaritra ». Hetsika karakarain’ny IKM, ho fanomezana sehatra ny kolontsaina sy ny haikanto maro samihafa izy ity. Ho an’ny mpiangaly Slam manokana, fotoan-dehibe, ho an’ireo mpiantsa Slam, indrindra ireo vao misandratra, izy ity. Haharitra […]
Tahirizina any Paris: mizotra ny dingana fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera
Karandoha telo no voalaza fa an’ny Malagasy, haranty ao amin’ny « Musée de l’Homme » ao Paris. Ny voalohany ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Ireo roa hafa kosa an’ny mpitari-tafiny, izay samy hangatahana hampodiana avokoa. Teny amin’ny Rovan’i Madagasikara no nampanantena ny filoha Rajoelina fa tsy maintsy hampodiana eto ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Karandohan’ity mpanjakan’ny […]
« Harmony of Chaos »: Anaty fanomanana ny mpikarakara
Tanterahina ny 20 desambra 2023, eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso, ny fanokafana fampirantiana “Harmony of Chaos”, iarahana amin’ny We Art, mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana hosodoko. Fotoana iray ihaonan’ireto mpahay kanto ireto amin’ny mpankafy azy io fotoana io. Samy haneho ny maha izy azy moa ireto mpahay kanto ireto […]




