kolon-tsaina

« Slam Session »: anisan’ny mandray ny hetsika ny Tranomboky monisipaly

Manomboka miverina tsikelikely sy mihamitombo ny hetsika ao amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. Efa ahitana ny seho “Slam poèsie” ihany koa eny an-toerana manomboka izao. Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Tra­nomboky monisipaly Analakely, ny hetsika “Slam Session”. Seho an-tsehatra karakarain’ny Madagaslam section tana (MST) sy ny avy eo amin’ny Tranomboky monisipaly […]

7 taona aty aoriana…: haverina hatonta ny boky “Lisy Mianjoria”

«Tantara miainga amin’ny zava-misy mifangaro amin’ny eritreritra, izay misy fanantenana maharitra na dia ao anatin’ny fotoana maizina indrindra aza», hoy ny filazan’i Mose Njo azy. Miendrika famaritana ilay boky nosoratany, “Lisy Mianjoria” izany. “7 taona lasa izay, nivoaka ny boky iray ka nanaitra ny fontsika sy ny saintsika. Tantara nampisaina […]

« Passion 4 Humanity » : nisokatra omaly ny fampirantiana « Nous sommes »

Mahatsiaro tena ho manana adidy sy andraikitra amin’ny fanabeazana sy fampahatongavan-tsaina ny vahoaka ny mpahay kanto, indrindra ireo namolavola ity fampirantiana ity, manoloana ny lafiny fahasalamana, ny rano ary ireo zavaboahary eto amintsika. Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 2 janoary 2024 ny fampirantiana «Nous Sommes», atao eny […]

Lanonan’ny faran’ny taona : any Frantsa ny Groupe Mirasoa

Ny taona 2020 no niorina ny Groupe Mirasoa.18 mianadahy, ahitana mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy ary mpiangaly ny feolafika no mandrafitra ny tarika. Tao­rian’ny nahavitan’ ny Mirasoa ireo fitetezam-paritra nahahenika an’i Madagasikara. Hia­ka-tsehatra hizara ny kantony any Marseille, ny 30 desambra ary ao Paris, ny 31 desambra ho avy izao, ny tarika. Seho […]

Tantara amin’ny Radio : hilalao ny « Misy mihaino » ny Sandratra

Seho miavaka no hanakatonan’ny Faribolana Sandratra ny taom-piantsana 2023. Hovelomin’ireo mpilalao tantara amin’ny Radio, mpikambana ao aminy, eny an-tsehatra ny « Misy mihaino ». Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny CGM Analakely, ny sabotsy 23 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Misy mihaino », hamondronana ampahany amin’ireo tantara fandefa amin’ny Radio, ahitana tara-kevitra mahatsikaiky, […]