kolon-tsaina

Reko Band : niavaka ny fanofakana ny fahadimy taona

Tafaray ny tia sy ny manina teny amin’ny CCEsca Antanimena. Niara-paly sy nanokatra ny fahadimy taonan’ny tarika ny fianakaviamben’ny Reko Band, tamin’ny alalan’ny seho avo lenta sy matihanina tanteraka. Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antani­mena, ny fampisehoana niarahana tamin’ny Reko Band. Fampisehoana nanokafan’ity tarika ity ny fahadimy taonany. Niavaka kely, […]

Na ry zareo aza tsy mifankahazo : tsy an’ny Malagasy velively ny Krismasy

Rehefa tonga ny 25 de­sambra na ny fankalazana ny Krismasy, feno hipoka ny fiangonana kristianina. Antony, io no nambara fa anisan’ny vanim-potoana lehibe indrindra eo amin’ny sehatry ny finoana maneran-tany. Na ny ady aza, miato. Nialohan’ny nahatongavan’ny vahiny (misionera) teto Madagasikara, nanana ny finoany sy ny fivavahany ny Malagasy. Noho […]

Tselonina sy Fara Gloum : mitohy ny fampiaraham-peo

Nisy hiran’ny tarika Lota iray, niarahan’i Fara Gloum sy i Tselonina namerina. Tarika nisy an’Ingahibe, niarahany tamin’i Parany sy i Yves tamin’izany fotoana izy io. Maro ireo tsy nahalala ilay hira, saingy kosa nankafy ny “video”. Santionan’ny fampiaraham-peo izay hataon’i Fara Gloum sy i Tselonina anio, eny amin’ny Brothers Andraharo, […]

« Tour’nao »: hiditra amin’ny dingan’ny famaranana

Tanterahina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny seho iarahana amin’ny Madagaslam, ao anatin’ny « Zoma finaritra ». Hetsika karakarain’ny IKM, ho fanomezana sehatra ny kolontsaina sy ny haikanto maro samihafa izy ity. Ho an’ny mpiangaly Slam manokana, fotoan-dehibe, ho an’ireo mpiantsa Slam, indrindra ireo vao misandratra, izy ity. Haharitra […]