kolon-tsaina

Harifidy Ramarozatovo : haseho ny boky ” Ny Vehivavy filamatra”

Hamoaka ny boky “Ny Ve­hi­vavy filamatra” i Harifidy Ramarozatovo, mpanoratra. Haseho etsy amin’ny Espace Loisirs Antaninarenina, ny alarobia 20 desambra izao, ma­nomboka amin’ny 10 ora ma­raina hatramin’ny efatra ora hariva ity boky vaovao ity. Voa­rakitra ao anatiny ny andram-pamakafakana miendrika fitantarana kely ny tranga na zava-misy amin’ny endrika kanto, miisa […]

Cop 28 – Andriambololona Mitia: « Handray andraikitra hanova ny toe-tsaina ny ankizy »

Tonga eto an-tanindrazana rehefa avy niatrika ny fihaonambe momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro (Cop28) tany Dubai, ny 2 desambra ka hatramin’ny 11 desambra teo, Andriambo­lolona Ny Felam-panantenana Mitia. « Fifanakalozana, fahafantarana ny zava-misy maneran-tany momba ny fiovan’ny toetry ny andro. Fahafahana naneho hevitra, sns. Tombony lehibe azo nandritra iny fihaonana […]

Karibotel Analakely : homem-boninahitra i Delacre

Mbola tsy mikatona ny fery… Saingy “ny mozika mitohy sy velona hatrany!”, hoy, hono, ny hafatr’i Delacre, araka ny nampitain’i Michael, zanany. Mitohy, araka izany, ny fanomezam-boninahitra ity andrarezin’ny mozika, izay vao lasa tamin’ny herinandro teo ity. Hisy ny “cabaret” manokana hatolotra ho an’i Delacre, homanin’i Mickael sy ireo mpanakanto […]

Tarika Reko- 5 taona : sokafana amin’ny fampisehoana ny fankalazana

Tarika anisan’ny zandriny nefa manana ny maha izy azy ny tarika Reko. « Niha lehibe tokoa izahay, ary nitombo niaraka tamin’ny taona. Tsy niova anefa ny kalitaon’ny mozika nahafantarana ny tarika.» hoy Zazah, solontenan’ny tarika. Hotanterahina ny alahady 17 desambra 2023, eny amin’ny CCESCA Antanimena, ny fampisehoana iarahana amin’ny Reko Band. […]