Anisan’ny mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ihany koa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny alalan’ny fampirantiana “Planète femmes”, hisarihana ny sain’ny rehetra ny amin’ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy. Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, nanomboka omaly hatramin’ny […]
kolon-tsaina
Fandraharahana ara-kolontsaina : nisitraka ny « Prom’art » ny tany Antsirabe
Tetikasa mifanohy amin’ny « Tosik’Art » ny « Prom’Art ». Natao hampivoatra, hampitombo lenta ireo mpanakanto sy ny kanto vokariny izany, hanampiana sy hanohanana azy ireo amin’ny asany. Nisy ny fiofanana izay tafiditra anatin’ny tetikasa « Prom’Art », natao tao amin’ny Tranoben’ ny kolontsaina sy ny serasera Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisitraka izany ireo […]
Kolontsaina Japoney : atrikasa momba ny fanaovana sary « Manga »
Anisan’ireo kolontsaina aziatika mihamahazo laka eto amintsika ny an-dry zareo Japoney. Antony iray mahatonga izany ny fankafizan’ny Malagasy sarimiaina “Manga” maro samihafa. Ho fampiroboroboana izany indrindra no antom-pisian’ny hetsika. Eny amin’ny Maison sociale des arts d’Antananarivo Ambatovinaky, isaky ny alarobia sy ny sabotsy, no hanatanterahina ny atrikasa momba ny sary, […]
« Rallye moi(s) théâtre » 2024: hahazo tombony ny vehivavy sy ny ankizy
Teny amin’ny SMAK Ambohimangakely indray no nanatanterahina ny andro fahatelo amin’ny « Rallye moi(s) theatre” (RMT) andiany fahafito. Ho tohin’ny andro voalohany sy faharoa, hetsika maro no nentina nanamarihina izany. Anisan’izany ny atrikasa sy fampisehoana maro. Mpahay kanto manana ny maha izy azy, eo amin’ny sehatry ny kanto isan-karazany ihany koa […]
«Bagasy mazia romotra»: mikendry ny avo kokoa ry Zandry Gasy
Dingana lehibe teo amin’ny tantarany no tafitan’ny Zandry Gasy, omaly. Notetezina tao anatin’ny ora telo ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavin’ny tarika, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Vory ireo mpankafy ny « Bagasy mazia romotra », lasa anarana nampisalorana ny mozikan-dry zalahy ireto. Nahatsapa ilay « Revina Zandry Gasy » araka ny tantaran’ilay hira […]